Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 21:6 - DIEM PROTESTANTA

Kanefa onena tokoa izy tamin’ireo Benjaminita mpiray firenena aminy, ka niteny hoe: –Foko iray eto amin’i Israely no mila ho levona androany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nanenina ny amin’ny Benjamina rahalahiny ny Zanak’Israely ka niteny hoe: Misy firenena iray voafongotra tsy ho eo amin’ny Israely ankehitriny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa onena tokoa izy tamin’ireo Benjaminita mpiray firenena aminy, ka niteny hoe: –Foko iray eto amin’i Israely no mila ho levona androany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nalahelo an’i Benjamina rahalahiny ny zanak’i Israely, ka nanao hoe: «Ny foko iray no fongotra amin’i Israely androany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny Zanak’Isiraely nanenina ny amin’i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin’ny Isiraely ankehitriny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny Zanak'Isiraely nanenina ny amin'i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin'ny Isiraely ankehitriny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nanenina ny amin’ny Benjamina rahalahiny ny Zanak’Israely ka niteny hoe: Misy firenena iray voafongotra tsy ho eo amin’ny Israely ankehitriny.

Jereo ny toko



Mpitsara 21:6
8 Rohy Ifampitohizana  

Ary niantso mafy an’i Jôaba i Abinera hoe: –Handripaka tsy hisy farany ve ny sabatra? Tsy mba fantatrao ve fa hampalahelo ny ho vokatr’izany? Koa mandra-pahoviana no hilazanao ny olonao hampitsahatra izao fanenjehana ifamonoan’ny mpirahalahy izao?


«Hataoko ahoana anefa no hahafoy anao, ry Efraîma, na hamadika anao, ry Israely? Hataoko ahoana koa no hahafoy anao ho tahaka an’i Admà sy i Tsebôima? Onena anao ny foko ato amiko fa indray miontana ny fitiavako.


Koa raha vao nahita azy i Jiftà, dia nandriatra ny fitafiany sady niantso hoe: –Indrisy, anaka, fa nampidi-doza ahy ianao, ary ianao izao no fototry ny hakiviako! Efa nanao voady tamin’ny TOMPO manko aho, ka tsy mahazo mitsoaka ny teny nomeko.


Fa onena tokoa ny vahoaka tamin’ireo Benjaminita, satria efa nanisy banga teo amin’ny fokon’i Israely ny TOMPO.


Dia nifanontany ny Israelita hoe: –Tamin’ny fokon’i Israely rehetra, moa nisy foko tsy tonga tamin’ilay fivoriana natao teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà ve? Efa nianiana mafy manko ry zareo tamin’izay fa na iza na iza tsy tonga teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà dia hatao maty.


Inona no hataontsika mba hanomezana vady ho an’ireo lehilahy Benjaminita sisa velona, satria efa nianiana mafy teo anatrehan’ny TOMPO isika fa tsy hanome ny zanakavavintsika ho vadiny?