Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 11:8 - DIEM PROTESTANTA

8 «Hataoko ahoana anefa no hahafoy anao, ry Efraîma, na hamadika anao, ry Israely? Hataoko ahoana koa no hahafoy anao ho tahaka an’i Admà sy i Tsebôima? Onena anao ny foko ato amiko fa indray miontana ny fitiavako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Hataoko ahoana re no fahafoy anao, ry Efraima? Na ho fanolotra anao, ry Israely? Hataoko ahoana re no fitondra anao ho tahaka an’i Adma? Hataoko tahaka an’i Zeboima va ianao? Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 «Hataoko ahoana anefa no hahafoy anao, ry Efraîma, na hamadika anao, ry Israely? Hataoko ahoana koa no hahafoy anao ho tahaka an’i Admà sy i Tsebôima? Onena anao ny foko ato amiko fa indray miontana ny fitiavako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Hataoko ahoana no famoy anao, ry Efraima, na fanolotra anao, ry Israely? Hataoko ahoana no famela anao ho tahaka an’i Adamà, na fampanjary anao ho tahaka an’i Sebôima? Onena ny foko ato anatiko, ary indray miontana ny fangorahako rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, Na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an’i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an’i Zeboima! Onena ny foko, Mafy loatra ny alaheloko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an'i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an'i Zeboima! Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Hataoko ahoana re no fahafoy anao, ry Efraima? Na ho fanolotra anao, ry Israely? Hataoko ahoana re no fitondra anao ho tahaka an’i Adma? Hataoko tahaka an’i Zeboima va ianao? Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 11:8
38 Rohy Ifampitohizana  

Dia niroso ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra sy ny mpanjakan’i Admà sy ny mpanjakan’i Tsebôima ary ny mpanjakan’i Bela na hoe Tsôhara, ka nandahatra ny tafiny hiady tamin’ireo tao an-dohasahan’i Sidima,


Fa raha naninji-tanana hamely an’i Jerosalema ny anjelin’ny Tompo, dia nanenina ny amin’ny loza ny TOMPO, ka niteny tamin’Ilay anjely mpandringana hoe: –Aoka izay! Aketraho ny tananao ankehitriny! Tamin’izay ity anjelin’ny TOMPO dia teo amin’ny famoloan’i Araonà, ilay Jebosita.


Fa onena mafy an-janany kosa ilay vehivavy renin’ny zaza velona, ka niteny tamin’ny mpanjaka hoe: –Ry andriamanjaka ô, aoka re homena azy ihany ny zaza velona, fa aza dia vonoina ho faty! Fa hoy kosa ny iray: –Zarao roa mihitsy ny zaza, fa amin’izay dia samy tsy manana.


Nefa niantra azy ihany ny TOMPO sady namindrafo taminy noho ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba; ka tsy ta handringana azy Izy ary tsy mbola nandroaka azy ho voasesitany lavitra ny fanatrehany.


Kanefa ny TOMPO Andriamanitry ny razany dia nangoraka ilay vahoakany sy ilay fonena-masiny, ka nampitondra teny ireo iraka izay nalefany matetika ho any amin’ny olony.


Dia tsaroany ny fanekempihavanany hitsimbinana azy; be fitiavana Izy ka nanjary niova hevitra taminy.


Mitaraina toy ny feon-dokanga ny foko noho ny amin’i Môaba; eny, mitaraina ny ato anatiko noho ny amin’i Kira-Heresa.


Mba mitsinjova avy eny an-danitra, Tompo ô; avy eo amin’ny fonenanao masina sy mamirapiratra mba jereo izay manjo anay. Nankaiza izao ny fitiavanao miredareda sy ny fahasahianao hiady ary ny fahaizanao mangoraka? Enga anie ny famindramponao, tsy ho sakantsakananao hihatra aminay!


Nefa raha miala amin’ny ratsy izay nahatonga ny fandrahonako izy, dia hiova hevitra amin’ny loza izay nokasaiko hamelezana azy Aho.


Koa mandehana ambarao any avaratra any izao hafatra izao hoe: Miverena, ry Israely mpiodina, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; fa tsy hanao tarehy ratsy aminao Aho, satria entanim-pitiavana, fa tsy mitahiry hatezerana maharitra.


I Efraîma no zanakalahy mamiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, zanaka malalako indrindra izy. Isaky ny manameloka azy Aho, dia mahatsiaro azy hatrany ka manjary mangoraka azy ary dia mamindrafo aminy tokoa.


«Raha hiverina hipetraka ao amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko indray ny vahoakanareo fa tsy horavako intsony; hamboleko indray ianareo fa tsy hongotako, ary hanenenako ny loza izay efa namelezako anareo.


Koa hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Hodioviko amin’ny afo izy ary hozahako toetra. Satria ahoana ny fomba hafa hataoko amin’ny faharatsian’ny vahoakako?


Toy ny zana-tsipîka mahafaty ny lelany, ka lainga avokoa izay lazainy: Tsara vava amin’ny namany izy, fa ao anatiny manao otri-po.


TOMPO ô, jereo fa azom-pahoriana aho, ka mandevilevy fiontanana. Mihendratrendratra ato anatiko ny foko, satria nikomy taminao tokoa aho. Eny an-dalambe, naripaky ny sabatra ny zanako; ato an-trano, toa hoatry ny any amin’ny maty.


Fa raha mampahory Izy, dia mamindrafo araka ny halehiben’ny fitiavany.


Fa tsy sitrany ny mampahory na mampijaly ny olombelona.


Ambarao aminy hoe: Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy sitrako ny hahafatesan’ireo olon-dratsy; fa ny tena tadiaviko dia ny hiovany mba hahavelona azy. Koa ialao mihitsy ny toe-dratsinareo, ry Israelita, fa nahoana moa no te ho faty ianareo?


Hahatsiaro ahy izy eo anivon’ireo firenena nandefasako azy ho babo. Ho tadidiny ny fomba nanapotehako azy, noho izy tsy niraiki-po tamiko fa nivadika nanalavitra Ahy ary nampifantoka fijery tamin’ny sampiny. Dia harikoriko ny tenany izy noho ny asa ratsy rehetra sy fanompoan-tsampy rehetra nataony.


Ny TOMPO kosa mamaly anareo hoe: «Inona no hataoko aminao, ry Efraîma? Inona no hataoko aminao, ry Joda? Fa ny fitiavanareo Ahy dia toy ny zavona maraina na tahaka ny ranon’ando izay levona vetivety!


ka te hanasitrana an’i Israely, dia miseho amiko ny heloky ny Efraîmita sy ny haratsian’ny olon’i Samaria. Fa manao fisolokiana ireo; miditra an-trano ny mpangalatra, manendaka an-dalambe ny jiolahy.


Efa natsimbadiko ambony ambany ny tao aminareo tahaka izay nataoko tamin’i Sôdôma sy Gômôra; ka ianareo izao dia toy ny tapa-porohana nosarihina avy ao amin’ny afo nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Dia niova hevitra tokoa ny TOMPO ka dia IZY mihitsy no niteny hoe: «Tsy hisy izany.»


Ary niova hevitra tokoa ny TOMPO; ka dia Izy Tompo ANDRIANANAHARY no niteny hoe: «Tsy hisy izany.»


Ary hitsangana hitondra ny vahoaka izany mpanapaka nampanantenaina izany, hombàn’ny hery sy heniky ny famirapiratana avy amin’ny TOMPO Andriamaniny. Dia handry feizay ny vahoakany, satria ho lehibe hatrany am-paran’ny tany izany mpanapaka izany:


Koa velona AHO ary mianiana fa ho levona i Môaba sy i Hamôna, ho tahaka ny tanànan’i Sôdôma sy Gômôra ka ho kirihitra tsilo sy lava-tsira ary ho tany lao mandrakizay; ho avy handroba sy haka ny taniny ireo sisa velona amin’ny vahoakako».


–Ry Jerosalema, ry Jerosalema! Ianao izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato ireo irahin’Andriamanitra aminao. Efa impiry moa Aho no nikasa hanangona ny mponina ao aminao, tahaka ny reniakoho manomba ny zanany, kanefa tsy nety ianareo.


«Main’ny solifara sy ny sira avokoa ity tany ity; tsy azo amafazana intsony, tsy hanirian-javatra intsony, ary tsy hisy ahitra hitrebona intsony ao. Ny mihatra aminy dia ny nanjo an’i Sôdôma sy i Gômôra ary i Admà sy i Tsebôima, izay tanàna noravan’ny TOMPO satria nirehetan’ny fahatezerany».


Ny firenena hafa rehetra koa dia ho loa-bolana hoe: «Nahoana re ny TOMPO no dia nanao toy izany tamin’ity tany ity? Inona no hevitr’izao fahatezerany mirehitra mafy izao?»


Eny, homen’ny TOMPO rariny tokoa ny vahoakany rehefa hitany fa lany hery; hohasoaviny indray ireo manompo Azy rehefa hitany fa tsy misy ianteherany intsony.


Ny tanàna Sôdôma sy Gômôra dia nohelohin’Andriamanitra ka noravany nanjary lavenona ary nataony fananarana ho an’ireo tsy miraiki-po aminy momba izay loza mety hihatra.


toy izany koa ny mponina tao Sôdôma sy Gômôra mbamin’ireo tanàna manodidina: nanao fitondrantena maloto izy ireo ary lasa nivarilavo amin’ny zavatra tsy tokony hatao, ka raiso ho fananarana satria afo maharitra mandrakizay no sazy mihatra aminy.


Ka ny fatiny dia hiampatra eny an-dalamben’ilay tanàna lehibe; io tanàna io no nanomboana ny Tompony tamin’ny hazofijaliana sady antsoina koa hoe Sôdôma na Ejipta araka ny heviny ara-panahy.


ary niantsoantso izy rehetra, raha nahita ny setroka vokatry ny fandoroana an’i Babilôna, ka nanao hoe: «Aiza intsony re no misy tahaka izany tanàna lehibe izany?»


Dia narian’ny Israelita tsy ho eo anivon’izy ireo ny andriamani-kafa, ka notompoiny indray ny TOMPO Izay tsy nahazaka hijery ny fijalian’i Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra