Kanefa, noho ny fijangajangana mananontanona, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny avy ary aoka ny vehivavy samy hanana ny vadiny avy.
Mpitsara 21:14 - DIEM PROTESTANTA Koa niverina nody tany aminy teo no ho eo ihany ireo Benjaminita; ary nomena ho vadiny ireo vehivavy sisa velona tao Jabesy-Gilehada, nefa tsy nahenina azy rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niverina tamin’izany andro izany ny Benjamina ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin’ny vehivavy tao Jabesy-Gileada ireo. Kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa niverina nody tany aminy teo no ho eo ihany ireo Benjaminita; ary nomena ho vadiny ireo vehivavy sisa velona tao Jabesy-Gilehada, nefa tsy nahenina azy rehetra. Baiboly Katolika Dia niverina ny Benjaminita tamin’izany andro izany ka nomena azy ireo ny vehivavy navela ho velona tamin’ny vehivavy tany Jabesy, any Galaada, nefa tsy ampy hahenina azy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niverina tamin’izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin’ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo. Malagasy Bible Dia niverina tamin'izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin'ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo. La Bible en Malgache Dia niverina tamin’izany andro izany ny Benjamina ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin’ny vehivavy tao Jabesy-Gileada ireo. Kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo. |
Kanefa, noho ny fijangajangana mananontanona, dia aoka ny lehilahy samy hanana ny vadiny avy ary aoka ny vehivavy samy hanana ny vadiny avy.
Na izany aza, dia nisy eninjato lahy tamin’ireo nitodi-doha nandositra nankany an-taniefitra no afaka nitsoaka ihany ka tonga tao amin’ny harambaton’i Rimôna ary nitoetra tao efa-bolana.
Tamin’ny mponina tao Jabesy-Gilehada dia nahitana tovovavy efajato mbola virijiny, ka nentin’ireo iraka ho any amin’ny toby tao Silao, tao amin’ny tany Kanahàna.
Avy eo ny vahoaka tafangona rehetra dia nandefa iraka nirary fihavanana tamin’ireo Benjaminita nandositra niery tao amin’ny harambaton’i Rimôna.
Fa onena tokoa ny vahoaka tamin’ireo Benjaminita, satria efa nanisy banga teo amin’ny fokon’i Israely ny TOMPO.
Ary raha misy rainy na anadahiny tonga hitaraina aminay, dia hovalianay hoe: «Miangavy anareo izahay mba tsy ho sarotiny amin’ireo lehilahy benjaminita, satria tsy nahazo vehivavy ho azy ireo tsirairay avy izy tamin’ny ady tao Jabesy. Ary satria tsy ianareo no nanome azy ny zanakareo vavy, dia tsy azo ampangaina ho meloka amin’ny fianianana ianareo».
Dia nifanadihady teo izy mba hahalalana raha nisy vondron’olona tamin’ny fokon’i Israely tsy tonga niseho teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà. Koa hitany fa ny olona avy any Jabesy-Gilehada ihany no tsy tonga tao an-toby nivoriana.