Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 16:22 - DIEM PROTESTANTA

Kanefa dia nanomboka naniry indray ireo volon-dohany taorian’ny nanetezana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Naniry indray anefa ny volon-dohany efa voaharatra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa dia nanomboka naniry indray ireo volon-dohany taorian’ny nanetezana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nefa efa nanomboka naniry indray ny volon’i Samsôna, hatrizay nanaratana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary dia naniry indray ny volon-dohany, rehefa voaharatra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary dia naniry indray ny volon-dohany, rehefa voaharatra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Naniry indray anefa ny volon-dohany efa voaharatra.

Jereo ny toko



Mpitsara 16:22
6 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa, na amin’izany fotoana itoerany any amin’ny tanin’ny fahavalony any izany aza, dia tsy holaviko tanteraka izy ary tsy ho halako hataoko lany ringana na ho halako hanapahako ny fanekempihavanako taminy, satria Izaho no TOMPO Andriamaniny.


Eny, homen’ny TOMPO rariny tokoa ny vahoakany rehefa hitany fa lany hery; hohasoaviny indray ireo manompo Azy rehefa hitany fa tsy misy ianteherany intsony.


Kinanjo nosamborin’ny Filistinina izy ary nopotsiriny ny masony. Dia nentiny nankany Gazà izy ary nafatony tamin’ny rojo halimo roa sosona sy notereny hitoto koba tao an-tranomaizina.


Indray andro dia nivory ireo mpanjaka filistinina mba hankalaza ny fandreseny sy hanao sorona lehibe ho an’i Dagôna andriamaniny. Fa hoy izy hoe: –Efa natolotry ny andriamanitsika ho eo an-tanantsika i Samsôna fahavalontsika.