Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 26:44 - DIEM PROTESTANTA

44 Kanefa, na amin’izany fotoana itoerany any amin’ny tanin’ny fahavalony any izany aza, dia tsy holaviko tanteraka izy ary tsy ho halako hataoko lany ringana na ho halako hanapahako ny fanekempihavanako taminy, satria Izaho no TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

44 Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ny tanin’ny fahavalony izy dia tsy holaviko ary tsy ho halako fandrao lany ringana izy rehetra ka ho rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

44 Kanefa, na amin’izany fotoana itoerany any amin’ny tanin’ny fahavalony any izany aza, dia tsy holaviko tanteraka izy ary tsy ho halako hataoko lany ringana na ho halako hanapahako ny fanekempihavanako taminy, satria Izaho no TOMPO Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

44 Na dia amin’izany aza anefa, rehefa mby any an-tanim-pahavalony izy ireo, tsy dia hariako na ho halako hataoko levona mihitsy sy hahatapaka ny fanekeko taminy; fa Izaho no Iaveh Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

44 Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin’ny tanin’ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

44 Ary na dia izany rehetra izany aza, raha any amin'ny tanin'ny fahavalony izy, dia tsy holaviko ary tsy ho halako, fandrao lany ringana izy rehetra, ka rava ny fanekeko taminy; fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 26:44
20 Rohy Ifampitohizana  

Hajoroko ny fanekempihavanako aminao mbamin’ny taranakao mandimby anao; ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay izany, ka dia ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.


Nefa niantra azy ihany ny TOMPO sady namindrafo taminy noho ny fanekempihavanana nataony tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba; ka tsy ta handringana azy Izy ary tsy mbola nandroaka azy ho voasesitany lavitra ny fanatrehany.


ary nandà tsy nety nanaraka izany sady tsy nahatsiaro ny zava-mahagaga nataonao hanasoavana azy; eny, nanamafy ny hatony izy ka nanao di-doha hiverina amin’ny fanandevozana azy tany Ejipta. Fa Andriamanitra mpamela heloka Ianao, Andriamanitra miantra sy mamindra fo, ary mahari-po sady be hatsarampo, ka dia tsy nafoinao ny razanay.


Be fiantra Ianao ka tsy nandringana ary tsy nahafoy azy, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Ianao.


Tahaka ny fangoraky ny ray an’ireo zanany no angorahan’ny TOMPO an’izay manaja Azy.


dia hofaiziko tsorakazo ny fikomiany ary hosazîko kapoka ny heloka vitany;


Fa tsy manary ny vahoakany ny TOMPO na mandalo an’ireo voatokana ho Azy:


Noho ny lazanao, dia aza hamavoina izahay ary noho ny sezafiandriananao be voninahitra dia aza atao tsinontsinona izahay. Tsarovy ka aza itsoahanao ny fanekempihavanana nataonao taminay.


–Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Ho tahaka ireto aviavy tsara ireto no hijereko ny Jodeanina voababo izay noroahiko hiala teto amin’ity toerana ity hankany Babilônia.


Fa miaraka aminareo Aho, mba hamonjy anareo; teny hentitry avy amiko TOMPO izany. Hofongorako ny firenen-kafa rehetra izay nanelezako anareo; ianareo kosa tsy mba hofongorako, na dia tsy maintsy faiziko araka ny hitsiny ihany aza fa tsy havelako ho afa-maina.»


I Efraîma no zanakalahy mamiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, zanaka malalako indrindra izy. Isaky ny manameloka azy Aho, dia mahatsiaro azy hatrany ka manjary mangoraka azy ary dia mamindrafo aminy tokoa.


Koa hariako ve ny taranak’i Jakôba sy ny an’i Davida mpanompoko? Holaviko ve ny hanendry lehibe hitondra ny taranak’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba? «Tsia, fa hamerina azy amin’ny laoniny Aho ary hamindrafo aminy.»


Izaho anefa tsy hivadika amin’ny fanekempihavanana izay nataoko taminao tamin’ny andron’ny fahatanoranao fa hanova azy ho fanekempihavanana maharitra mandrakizay.


Hiorim-ponenana eo afovoanareo Aho ary tsy ho tofoka aminareo.


Tsia, Andriamanitra tsy nanary ny vahoakany, izay efa nofidiny rahateo. Ataoko fa fantatrareo izay lazain’ny Soratra Masina ao amin’ny tantaran’i Elià, fony i Elià nitaraina tamin’Andriamanitra ny amin’i Israely nanao hoe:


Toy izany no hahavonjy an’i Israely manontolo araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Hiainga avy ao Tsiôna ny mpanafaka, dia hanala ny haratsiam-panahy amin’ny taranak’i Jakôba.


Dia niainga avy any Gilgala ka tonga tany Bokima ny anjelin’ny TOMPO ary nanambara tamin’ny Israelita hoe: –Izaho no nampakatra anareo hiala tany Ejipta ka nampiditra anareo amin’ny tany izay nianianako homena ny razanareo. Ary nilaza Aho fa tsy hanapaka na oviana na oviana ny fanekempihavanako aminareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra