Ireto avy ny anaran’ireo kalazan’i Davida: i Isbahala, zanakalahin’i Hakmônỳ sady filohan’ny «Tariky ny telo lahy». Izy no ilay nampandihy ny lefony hamelezana fahavalo valonjato lahy ka nahafaty azy tamin’ny ady indray mandeha monja.
Mpitsara 15:15 - DIEM PROTESTANTA Nahita valanoranom-boriky iray vao novonoina i Samsôna; ary noraisiny izany ka namonoany ho faty arivo lahy tamin’ny Filistinina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nahita valanoranom-boriky tsy mbola maina izy dia nanainga ny tanany ka naka azy, ary iny no namonoany arivo lahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nahita valanoranom-boriky iray vao novonoina i Samsôna; ary noraisiny izany ka namonoany ho faty arivo lahy tamin’ny Filistinina. Baiboly Katolika ary nahita valanoranon’ampondra vaovao izy, dia nanatsotra ny tanany nandray an’izay, ka nahafaty arivo lahy taminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy. Malagasy Bible Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy. La Bible en Malgache Ary nahita valanoranom-boriky tsy mbola maina izy dia nanainga ny tanany ka naka azy, ary iny no namonoany arivo lahy. |
Ireto avy ny anaran’ireo kalazan’i Davida: i Isbahala, zanakalahin’i Hakmônỳ sady filohan’ny «Tariky ny telo lahy». Izy no ilay nampandihy ny lefony hamelezana fahavalo valonjato lahy ka nahafaty azy tamin’ny ady indray mandeha monja.
hampandositra zato ny dimy aminareo ary hampandositra iray alina ny zato aminareo ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo ireny.
namono ny afo midedadeda, tokony ho voan’ny sabatra nefa tsy voa, nalemy nefa tonga natanjaka, nahery an’ady ka nampandositra ny tafiky ny firenen-kafa.
Fa lehilahy iray taminareo no nampandositra fahavalo arivo satria ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no niady ho anareo, araka izay efa nampanantenainy anareo.
Dia hoy i Samsôna hoe: –Valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy, valanoranom-boriky no nampivangongoako ireo faty.
Rehefa izany, dia natsipiny terỳ ilay valanoranom-boriky teny an-tanany; izany no niantsoana io toerana io hoe Ramata-Lehỳ na Havoanan’ny Valanorano.
Ary i Samgary, zanakalahin’i Hanata, no nandimby an’i Ehoda. Nahafaty ny Filistinina eninjato lahy tamin’ny fanindronan’omby izy, ka nanafaka ny Israelita ihany koa.
Ary efa sasatra loatra i Siserà ka renoky ny torimaso. Dia naka tsimaday i Jahela, vadin’i Hebera, sady nandray tantanana ka nanatona moramora an’i Siserà. Ary natsatony teo amin’ny fihirifany ny tsimaday ka niboroaka hatramin’ny tany, dia maty i Siserà.
Nozarain’i Gidehôna ho antokony telo ireo telonjato lahy, ka samy nomeny trompetra iray sy siny foana iray ary fanilo iray avy isan-dahy ka hapetraka ao anaty siny.
Io famelezana voalohany nafitsok’i Jônatàna sy ny mpanompony io, dia nahafatesana Filistinina roapolo lahy, voavono tao anatin’ny faritra sahabo ho ampahefatry ny hekitara.
Dia hoy izany i Jônatàna tamin’ny mpanompony: –Andeha hotafihintsika ny tobin’ireo tsy mifora ireo, sao mba homba antsika ihany ny TOMPO, fa tsy misy manakana AZY tsy hanome antsika ny fandresena, na maro isika na vitsy.