Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 15:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Ary nony tonga tao Lehỳ izy, dia nitsena azy tamin’ny horakora-pandresena ny Filistinina. Tamin’izay kosa no nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka nivaha mora foana toy ny tady rongony main’ny afo ireo tady mahazaka namatorana ny sandriny sy ny tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Rehefa tonga tany Lehy izy dia nanakora azy ny Filistina. Dia tonga taminy ny Fanahin’NY TOMPO ka tonga tahaka ny kofehy rongony izay nodorana tamin’ny afo ny mahazaka teny amin’ny sandriny ary afaka tamin’ny tanany ny fatorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ary nony tonga tao Lehỳ izy, dia nitsena azy tamin’ny horakora-pandresena ny Filistinina. Tamin’izay kosa no nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka nivaha mora foana toy ny tady rongony main’ny afo ireo tady mahazaka namatorana ny sandriny sy ny tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Nony tonga tany Lekia izy, dia notsenain’ny Filistinina tamim-panakorana. Fa notsindrian’ny Fanahin’i Iaveh kosa i Samsôna tamin’izay, ka ny mahazaka tamin’ny sandriny tonga toy ny kofehy rongony main’ny afo, ary ny fatorana tamin’ny tanany nivotsotra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin’i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin’ny afo ny mahazaka teny amin’ny sandriny ary afaka tamin’ny tànany ny fatorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin'i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin'ny afo ny mahazaka teny amin'ny sandriny ary afaka tamin'ny tànany ny fatorana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Rehefa tonga tany Lehy izy dia nanakora azy ny Filistina. Dia tonga taminy ny Fanahin’NY TOMPO ka tonga tahaka ny kofehy rongony izay nodorana tamin’ny afo ny mahazaka teny amin’ny sandriny ary afaka tamin’ny tanany ny fatorana.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 15:14
22 Rohy Ifampitohizana  

dia vetivety ny fireharehan’ny olon-dratsy ary mihelina ihany ny fifalian’ny tsy mpivavaka.


Nitangorona tamiko ireo, indray nanarona ahy, fa ny anaran’ny TOMPO no nandringanako azy.


ataony kinga toy ny gazela aho ary ajorony amin’ny toerana avo;


Dia hiteny ny Farao hoe: «voan’ny tamberintany ny Israelita, ka voahidin’ny taniefitra.»


Rehefa nambara tamin’ny mpanjakan’i Ejipta sy ny tandapany fa efa mandositra ny Israelita, dia niova hevitra ny momba azy ireo ny Farao sy ny mpanompony ka niteny hoe: «Inona ity nataontsika? Nahoana no nalefantsika hiala tamin’ny fanompoana antsika ny Israelita?»


Aza mihomehy ny aminay ianareo fahavalonay! fa na lavo aza izahay, dia mbola hiarina; ary na mipetraka ao amin’ny maizina aza izahay, dia ny TOMPO no fahazavana ho anay.


Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan’ny Vaovao Mahafaly izahay mbamin’i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Dia nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka lasa nidina tany Askelôna izy. Namono nahafaty telopolo lahy tao izy ka naka ny fitafiany ary nanome ireny ho an’ireo nilaza ny valin’ny ankamantatra. Ary nirehi-pahatezerana i Samsôna ka niakatra nody tany amin’ny rainy.


Fa nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka tanam-polo no nentiny nanasamatsamaka ilay liona tanora toy ny fanasamatsamahana zanak’osy; saingy tsy nambarany tamin’ny ray aman-dreniny izany zavatra nataony izany.


Dia namaly azy indray ireo hoe: –Tsy manam-pikasana hamono anao izahay fa ny hamatotra anao fotsiny mba hatolotray ny Filistinina. Dia nafatotr’ireo tamin’ny mahazaka roa vaovao i Samsôna ary nentiny niala tao an-dava-bato.


Ary niakatra ny Filistinina ka nitoby tany Joda, ary nitandahatra hamely ny tanàna Lehỳ.


Dia nalain’i Delilà ny tady mahazaka vaovao ka namatorany azy, dia nihiaka mafy izy hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Efa nisy olona nafenin-dravehivavy indray manko tao an’efitrano. Kinanjo notapatapahin’i Samsôna hiala amin’ny sandriny ireo tady mahazaka ireo ka maito tahaka ny tady taretra.


Ary nony efa diboky ny hafaliana izy ireo, dia nitaky ny hampakana an’i Samsôna mba hanao fanalana hamohamo azy. Dia nalaina tany an-tranomaizina i Samsôna ka nanao fanalana hamohamo azy; avy eo dia natsangana teo anelanelan’ny andrin’ny tempoly izy. Ary rehefa nahita an’i Samsôna ny olona, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: –Efa natolotry ny andriamanitsika ho eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny firenentsika sy nandripaka olona maro tamintsika.


Ary nisy lehilahy efa nafenin-dravehivavy tao an’efitranony. Dia nikiaka tampoka i Delilà ka nanao hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia notapatapahin’i Samsôna ireo tady ka maito tahaka ny tady rongony main’ny afo; ary tsy fantatra izay tsiambaratelon’ny heriny.


Dia nitoetra tao aminy ny Fanahin’ny TOMPO, ka nitondra ny Israelita izy. Ary niainga hiady i Hôtniela; dia natolotry ny TOMPO teo an-tanany i Kosàna-Risehataîma mpanjakan’i Mezôpôtamia ka resiny.


«Manangona babo izay ny miaramila, ary mbola eo am-pizaràna azy: tovovavy iray na roa isaky ny mahery fo; karazan-damba miloko samy hafa sady vita peta-kofehy ho an’i Siserà; eny, lamba vita peta-kofehy anatiny sy ivelany no hahodidina ny vozon’ilay mpamabo.»


Koa rehefa tonga tany Gibehà i Saoly sy ny mpanompony, dia indreo andiana mpaminany nifanena taminy; dia nilatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra i Saoly, ary niara-naminany tamin’izy ireo.


Hilatsaka aminao ny Fanahin’ny TOMPO, ka haminany miaraka amin’izy ireo ianao ary ho tonga olom-baovao.


Raha nandre izany i Saoly, dia nilatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra, ary nirehi-pahatezerana mafy.


dia nanenjika azy aho ka mikapoka azy ary manaisotra ny haza mby am-bavany; ary raha miantsambotra amiko izy, tonga dia raisiko amin’ny vavany, dia vonoiko ho faty.


Raha vantany vao tonga tao an-toby ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nanao horakoraka mafy ny miaramila israelita rehetra ka nampihozona ny tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra