Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 15:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Dia namaly azy indray ireo hoe: –Tsy manam-pikasana hamono anao izahay fa ny hamatotra anao fotsiny mba hatolotray ny Filistinina. Dia nafatotr’ireo tamin’ny mahazaka roa vaovao i Samsôna ary nentiny niala tao an-dava-bato.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Dia niteny taminy izy ireo hoe: Tsia! Fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tanany; tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin’ny mahazaka roa vaovao ireo ka nitondra azy niala tamin’ilay harambato.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Dia namaly azy indray ireo hoe: –Tsy manam-pikasana hamono anao izahay fa ny hamatotra anao fotsiny mba hatolotray ny Filistinina. Dia nafatotr’ireo tamin’ny mahazaka roa vaovao i Samsôna ary nentiny niala tao an-dava-bato.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Dia namaly azy izy nanao hoe: «Tsia, fa ny hamatotra anao sy ny hanolotra anao eo an-tanan’izy ireo ihany no tadiavinay, fa tsy hamono anao izahay.» Dia nafatony tamin’ny mahazaka roa vaovao izy, nentiny hiakatra avy teo amin’ilay vatolampy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin’ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin’ilay harambato.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin'ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin'ilay harambato.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Dia niteny taminy izy ireo hoe: Tsia! Fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tanany; tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin’ny mahazaka roa vaovao ireo ka nitondra azy niala tamin’ilay harambato.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 15:13
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanatona an’i Paoly ny komandy ka nampisambotra azy ary nanome baiko hamatorana azy amin’ny gadra vy anankiroa, sady nanontany hoe: –Iza moa io? Ary inona no nataony?


Fa hoy kosa ireo hoe: –Tonga izahay mba hamatotra anao ary hanolotra anao amin’ny Filistinina. Ka hoy i Samsôna taminy: –Mianiàna amiko àry fa tsy hamono ahy ianareo.


Ary nony tonga tao Lehỳ izy, dia nitsena azy tamin’ny horakora-pandresena ny Filistinina. Tamin’izay kosa no nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka nivaha mora foana toy ny tady rongony main’ny afo ireo tady mahazaka namatorana ny sandriny sy ny tanany.


Ka hoy ny navaliny azy: –Raha tady mahazaka vaovao tsy mbola nampiasaina no amatorana ahy, dia hanjary osa aho ka ho tahaka ny olon-tsotra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra