Mpitsara 14:2 - DIEM PROTESTANTA Rehefa niverina izy, dia nitantara tamin’ny ray sy reniny hoe: –Nisy tovovavy filistinina iray tsikaritro tany Timnà, ka tiako hangatahinareo ho vadiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niakatra izy ka nilaza tamin’ny rainy sy reniny hoe: Nahita vehivavy tany Timna, avy amin’ny zanakavavin’ny Filistina, aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa niverina izy, dia nitantara tamin’ny ray sy reniny hoe: –Nisy tovovavy filistinina iray tsikaritro tany Timnà, ka tiako hangatahinareo ho vadiko. Baiboly Katolika Nony tafakatra indray izy, dia nilaza tamin-drainy aman-dreniny hoe: «Nahita vehivavy anankiray tamin’ireo zanakavavin’ny Filistinina aho, tany Tamnà, ka ankehitriny mba alaovy ho vadiko izy.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin’ny zanakavavin’ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny. Malagasy Bible Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny. La Bible en Malgache Dia niakatra izy ka nilaza tamin’ny rainy sy reniny hoe: Nahita vehivavy tany Timna, avy amin’ny zanakavavin’ny Filistina, aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny. |
Fa i Jôasy mpanjakan’i Israely dia nandefa iraka tany amin’i Amatsià mpanjakan’i Joda hamaly azy hoe: «Ny kirihitra tsilo izay tany Libano, hono, dia nandefa iraka tany amin’ny sedera izay tany Libano mba hiangavy azy hoe: ‹Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy›; kanjo nisy bibidian’i Libano namaky teo ka nanosihosy ny kirihitra tsilo.
Manambadia ka miteraha zanakalahy sy zanakavavy; akao vady ny zanakareo lahy ary ampanambadio ny zanakareo vavy mba hiteraka koa izy. Hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy!
Fa namaly azy ny ray sy reniny hoe: –Angaha tsy misy tovovavy ato amin’ny fokonao na ato amin’ny firenenao manontolo no handeha haka vady any amin’izay Filistinina tsy mifora ianao? Fa hoy i Samsôna tamin’ny rainy: –Iny no mahafinaritra ahy, ka angataho ho vadiko.