Efa notanterahinao tamin’i Davida raiko sady mpanomponao ny zavatra nampanantenainao azy; eny, izay voalazanao dia notontosainao araka izao hita anio izao.
Mpitsara 13:11 - DIEM PROTESTANTA Dia nanaraka ny vadiny avy hatrany i Manôà, ka nankany amin-dralehilahy ary nanontany azy hoe: –Ianao ve ilay lehilahy izay niteny tamin’ny vadiko? Ka novaliany hoe: –Eny, izaho no izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nitsangana i Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dRalehilahy ka niteny taminy hoe: Ianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dRavehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanaraka ny vadiny avy hatrany i Manôà, ka nankany amin-dralehilahy ary nanontany azy hoe: –Ianao ve ilay lehilahy izay niteny tamin’ny vadiko? Ka novaliany hoe: –Eny, izaho no izy. Baiboly Katolika Dia nitsangana i Manôe, ka nanaraka ny vavy nankany amin-dralehilahy sy nanao taminy hoe: «Ianao va izany niteny tamin’ity vehivavy ity izany?» Hoy ny navaliny: «Izaho.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Hianao moa ilay lehilahy miteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy. Malagasy Bible Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Hianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy. La Bible en Malgache Dia nitsangana i Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dRalehilahy ka niteny taminy hoe: Ianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dRavehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy. |
Efa notanterahinao tamin’i Davida raiko sady mpanomponao ny zavatra nampanantenainao azy; eny, izay voalazanao dia notontosainao araka izao hita anio izao.
Iny teo akaikin’i Jerikao iny i Josoa, dia nanopy maso nijery ka indro lehilahy iray nitsangana tandrifiny sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany; dia nanatona azy i Josoa ka nanontany azy hoe: –Namanay ve ianao sa naman’ny fahavalonay?
Fa hoy indray i Manôà hoe: –Izao àry, rehefa ho tanteraka tokoa ny teninao, dia inona no fitsipika tokony harahinay momba ny zaza? Ary inona no tokony hataonay aminy?
Dia hoy ilay anjelin’ny TOMPO tamin’i Manôà: –Tokony hotandreman’ny vadinao avokoa izay rehetra nolazaiko taminy:
Dia nivavaka tamin’ny TOMPO i Manôà ka nanao hoe: –Tompo ô, miangavy anao aho, mba avereno atỳ aminay ilay lehilahin’Andriamanitra izay efa nirahinao ka hampianatra anay ny tokony hataonay amin’ny zaza izay ho teraka.