Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 13:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Dia nivavaka tamin’ny TOMPO i Manôà ka nanao hoe: –Tompo ô, miangavy anao aho, mba avereno atỳ aminay ilay lehilahin’Andriamanitra izay efa nirahinao ka hampianatra anay ny tokony hataonay amin’ny zaza izay ho teraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary nangataka tamin’NY TOMPO i Manoa hoe: Tompo ô, aoka mba hankaty aminay indray ny lehilahin’Andriamanitra, ilay nirahinao, ka hampianatra anay ny fomba hitondranay ny zaza izay ho teraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Dia nivavaka tamin’ny TOMPO i Manôà ka nanao hoe: –Tompo ô, miangavy anao aho, mba avereno atỳ aminay ilay lehilahin’Andriamanitra izay efa nirahinao ka hampianatra anay ny tokony hataonay amin’ny zaza izay ho teraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Dia niantso an’i Iaveh i Manôe tamin’izay ka nanao hoe: «Tompo ô, raha sitrakao, dia aoka hiverina atỳ aminay indray ilay olon’Andriamanitra nirahinao, ka hanoro izay tokony hataonay amin’ny zaza ho teraka».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary Manoa nangataka tamin’i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin’Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary Manoa nangataka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin'Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ary nangataka tamin’NY TOMPO i Manoa hoe: Tompo ô, aoka mba hankaty aminay indray ny lehilahin’Andriamanitra, ilay nirahinao, ka hampianatra anay ny fomba hitondranay ny zaza izay ho teraka.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 13:8
8 Rohy Ifampitohizana  

Asehoy ahy izay heloko tsy mbola hitako; fa raha nanao ratsy aho dia tsy hamerina izany intsony.»


Fa mitsangàna, mankanesa ao an-tanàna, dia holazaina aminao izay tokony hataonao.


Dia nanaraka ny vadiny avy hatrany i Manôà, ka nankany amin-dralehilahy ary nanontany azy hoe: –Ianao ve ilay lehilahy izay niteny tamin’ny vadiko? Ka novaliany hoe: –Eny, izaho no izy.


Indray andro dia niseho tamin-dravehivavy ny anjelin’ny TOMPO ka nanao taminy hoe: –Fantatro fa momba ianao ka tsy niteraka; nefa hitoe-jaza ianao ka hitera-dahy.


Dia nody tany an-tranony ravehivavy ka niteny tamin’ny vadiny hoe: –Nisy lehilahin’Andriamanitra tonga tamiko. Toa anjelin’Andriamanitra no fijery azy satria nahatahotra mihitsy izy. Tsy nanontaniako izay niaviany ary tsy nambarany ahy ny anarany.


Nilazany aho fa hitoe-jaza ka hitera-dahy. Ary norarany aho tsy hisotro divay na toaka sady tsy hihinana sakafo maloto, satria io zaza io dia ho voatokana ho an’Andriamanitra hatrany an-kibo ka mandra-pahafatiny.


Dia nohenoin’Andriamanitra ny fangatahan’i Manôà; koa niseho tamin-dravehivavy indray ilay anjely raha mbola tany an-tsaha izy. Tsy tafaraka taminy anefa ny lahy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra