Mpitsara 12:8 - DIEM PROTESTANTA I Ibitsàna avy any Betlehema no nandimby an’i Jiftà ka nitondra ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Israely taorianan’i Jefta. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Ibitsàna avy any Betlehema no nandimby an’i Jiftà ka nitondra ny Israelita. Baiboly Katolika Ary taorian’izy io dia i Abesàna, avy any Betlehema, no mpitsara tamin’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy ARY Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an’i Jefta. Malagasy Bible Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an'i Jefta. La Bible en Malgache Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Israely taorianan’i Jefta. |
–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany amin’ny fahavalo mandra-piavin’ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray; ka izay sisa velona, amin’ireo rahalahiny voasesi-tany, dia hiverina ho any amin’ireo Israelita namany.
Rehefa teraka tao Betlehema tanànan’i Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema,
Ny velaran-tanin’i Zebolòna dia nisy tanàn-dehibe 12 samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy; ka anisan’ireo tanàna 12 ireo i Katata, i Nahalala, i Simrôna, i Jidalà, ary i Betlehema.
Taorian’ny nahafatesan’i Abimelèka dia nitsangana i Tôlà, zanakalahin’i Povà sady zafikelin’i Dôdao, mba hamonjy ny vahoaka Israely. Izy dia lehilahy avy ao amin’ny fokon’i Jisakara ary nonina tao Samira, any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma.
Koa i Jiftà, ilay Gilehadita, no nitondra ny Israelita nandritra ny folo taona; avy eo dia maty izy ka nalevina tao amin’ny tanàna izay nahabe azy, tany Gilehada.
Nanana zanakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo izy, ka nampanambady ny zanany vavy tany ivelan’ny fokony sady nampakatra vinantovavy telopolo avy any ivelany koa. Ary nitondra ny Israelita nandritra ny fito taona i Ibitsàna;
Nisy zatovo levita anankiray nivahiny tao Betlehema any Joda, tanàna anisan’ny fokon’i Joda.
Tamin’izany andro mbola tsy nisian’ny mpanjaka tany Israely izany, dia nisy levita iray nivahiny tany amin’ny toerana mihataka, an-tsisin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Naka vadikely iray tao Betlehema any Joda izy.
Hoy ny TOMPO tamin’i Samoela: –Mandra-pahoviana ihany no halahelovanao an’i Saoly, nefa na Izaho aza efa nandà azy tsy ho mpanjakan’i Israely intsony? Raiso ny diloilonao, dia mandehana; fa irahiko ho any amin’i Jisay any Betlehema ianao, satria efa nifidy anankiray tamin’ny zanany aho mba ho mpanjaka.