Afaho aho mba tsy ho difotry ny fotaka na hindaosin’ny tafio-drivotra sy ny rano lalina;
Mpitsara 12:6 - DIEM PROTESTANTA dia nasaina notononiny ny teny hoe «Shibôleta»; ary satria tsy hainy notononina izany fa ataony hoe «Sibôleta», dia noraisim-potsiny izy ary novonoina ho faty teo akaikin’ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna. Nahatratra andian-tafika 42 ny lehilahy Efraîmita maty tamin’izany fotoana izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia hoy izy ireo taminy: Tonòny ary ny hoe Shiboleta. Dia hoy izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy izy ireo ka namono azy teo amin’ny fitàna ao Jordana; nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin’izany andro izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia nasaina notononiny ny teny hoe «Shibôleta»; ary satria tsy hainy notononina izany fa ataony hoe «Sibôleta», dia noraisim-potsiny izy ary novonoina ho faty teo akaikin’ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna. Nahatratra andian-tafika 42 ny lehilahy Efraîmita maty tamin’izany fotoana izany. Baiboly Katolika Dia hoy izy ireo manao hoe: «Tonòny àry ny hoe: Skibôleta.» Ary izy kosa manao hoe: «Sibôleta», fa tsy hainy tononina tsara izany; dia samboriny sy vonoiny eo anilan’ny fitàna an’i Jordany. Nisy roa arivo sy efatra alina ny lehilahin’i Efraima maty tamin’izany andro izany. Baiboly Protestanta Malagasy dia hoy izy ireo taminy: Tonòny ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin’ny fitana ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin’izany andro izany. Malagasy Bible dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin'ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin'izany andro izany. La Bible en Malgache dia hoy izy ireo taminy: Tonòny ary ny hoe Shiboleta. Dia hoy izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy izy ireo ka namono azy teo amin’ny fitàna ao Jordana; nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin’izany andro izany. |
Afaho aho mba tsy ho difotry ny fotaka na hindaosin’ny tafio-drivotra sy ny rano lalina;
Ny fiandoham-pifandirana dia toy ny mamaky tohandrano; koa ajanòny izany dieny tsy mbola mihombo ny ady.
Sarotra kokoa noho ny mananika manda ny manatona rahalahy tafintohina; ary ny fifandirana dia mafy toy ny hidin-dapa.
Ny teny aloaky ny vavan’ny hendry dia sitraky ny olona; fa ny resaky ny adala kosa manala baràka tena.
Amin’izany andro izany, dia hovelesin’ny TOMPO ireo salohim-bary voajinja manomboka eo amin’ny ony Eofrata ka hatrany amin’ny ranon-driakan’i Ejipta. Amin’izay ianareo, ry Israelita, dia samy hotsimponina tsirairay.
Fantatr’i Jesoa anefa ny eritreritr’ireo Farisianina ka hoy Izy taminy: –Ho rava izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tanàna na koa ankohonana miady an-trano.
Nony afaka kelikely, dia nanatona an’i Petera ny olona teo ka nanao taminy hoe: –Tena anisan’ireny tokoa ianao, sady ny fiteninao rahateo mampiharihary izany.
Fa mbola nandà indray i Petera. Nony afaka kelikely, dia hoy indray ny olona teo amin’i Petera: –Tena anisan’ireny tokoa ianao sady Galileanina rahateo.
Ary nobahanan’ny Gilehadita ireo fitàna ny ony Jôrdàna hankany Efraîma. Koa isaky ny misy mpandositra te hiampita, dia nanontaniana hoe: –Efraîmita va ianao? Koa raha namaly izy hoe «Tsia»,
Koa i Jiftà, ilay Gilehadita, no nitondra ny Israelita nandritra ny folo taona; avy eo dia maty izy ka nalevina tao amin’ny tanàna izay nahabe azy, tany Gilehada.