Ary niroso hifanandrina aminy kosa i Asà; ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Tsefatà akaikin’i Maresà izy roa tonta.
Mpitsara 10:9 - DIEM PROTESTANTA Niampita ny ony Jôrdàna mihitsy aza ny Hamônita mba hiady amin’ny fokon’i Joda sy i Benjamîna ary i Efraîma; ka nijaly mafy ny Israelita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nita ny Jordana ny Amonita mba hiady amin’i Joda sy i Benjamina koa ary ny taranak’i Efraima ka tra-pahoriana mafy ny Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niampita ny ony Jôrdàna mihitsy aza ny Hamônita mba hiady amin’ny fokon’i Joda sy i Benjamîna ary i Efraîma; ka nijaly mafy ny Israelita. Baiboly Katolika Ny taranak’i Amôna nita an’i Jordany hamely an’i Jodà sy i Benjamina mbamin’ny taranak’i Efraima ka dia tra-pahoriana mafy i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nita an’i Jordana ny taranak’i Amona mba hiady koa amin’ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak’i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely. Malagasy Bible Ary nita an'i Jordana ny taranak'i Amona mba hiady koa amin'ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak'i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely. La Bible en Malgache Nita ny Jordana ny Amonita mba hiady amin’i Joda sy i Benjamina koa ary ny taranak’i Efraima ka tra-pahoriana mafy ny Israely. |
Ary niroso hifanandrina aminy kosa i Asà; ka samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Tsefatà akaikin’i Maresà izy roa tonta.
Tamin’izay fotoana izay dia tsy afaka nifamoivoy tamim-pilaminana ny olona; fa horohoro be no nanjo ny mponina rehetra tamin’ny tany.
Any amin’ireo firenena ireo dia tsy hisy hilaminanareo ary tsy hisy toerana hahazoanareo miorim-ponenana; fa any kosa dia fo manahy sy maso jambena ary fanahy kivy no homen’ny TOMPO anareo.
Noho izany dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy ka nanao hoe: –Nanota taminao izahay, satria nandao Anao Andriamanitray ka nanompo ny Bahala andriamani-tsiizy.
Nanomboka tamin’izany taona izany ary nandritra ny 18 taona ireo no nampahory sy nanenjika ny Israelita izay nonina tany Gilehada sy tao amin’ny faritanin’ny Amôrita teny an-dafy atsinanan’i Jôrdàna.
Isaky ny nandeha nanafika ireo Israelita, dia nataon’ny TOMPO resy foana araka izay efa nambarany mialoha sady efa nianianany; ka nijaly mafy ireo.
Ary nahery vaika tamin’ny Israelita loatra ny famelezan’ny Midianita; koa noho ny tahony azy dia nanamboatra lalan-kizo sy zohy fierena ary toerana sarotra anihina tany an-tendrombohitra ny Israelita.
Rehefa hitan’ny Israelita fa tandidomin-doza izy, dia lasa ny olona niery tany anaty zohy, sy tany anaty kirihitra, tany amin’ny harambato sy tany ambanin’ny tany, ary tany an-dava-pantsakana.
Nanontany azy kosa i Samoela hoe: –Fa ahoana no kotabainao aho ka nampiantsoinao? Dia hoy ny navalin’i Saoly: –Mafy ny manjo ahy, fa miady amiko ny Filistinina ary efa nandao ahy Andriamanitra ka tsy mamaly ahy intsony na amin’ny mpaminany na amin’ny nofy. Izany no nampiantsoako anao mba hampahafantatra ahy izay tokony hataoko.