Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 10:7 - DIEM PROTESTANTA

Dia nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita ny TOMPO ka nanolotra azy teo an-tanan’ny Filistinina sy ny Hamônita.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka nivarotra azy ho eo an-tanan’ny Filistina sy ho eo an-tanan’ny Amonita Izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita ny TOMPO ka nanolotra azy teo an-tanan’ny Filistinina sy ny Hamônita.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka namidiny ho eo an-tanan’ny Filistinina izy, sy ho eo an-tanan’ny taranak’i Amôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nirehitra tamin’ny Isiraely ny fahatezeran’i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan’ny Filistina sy ho eo an-tànan’ny taranak’i Amona Izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'ny Filistina sy ho eo an-tànan'ny taranak'i Amona Izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka nivarotra azy ho eo an-tanan’ny Filistina sy ho eo an-tanan’ny Amonita Izy.

Jereo ny toko



Mpitsara 10:7
15 Rohy Ifampitohizana  

atolotrao azy toa ondry hatao sakafo izahay sy aelinao any amin’ny firenen-kafa.


Tononkalo fananarana nataon’i Asafa . Andriamanitra ô, nahoana izahay no dia narianao tanteraka? Nahoana izahay andian’ondry fiandrinao no irehetan’ny fahatezeranao?


Izao no fanontaniana ataon’ny TOMPO: «Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo fa noroahiko i Jerosalema reninareo? Sa iza no nivarotako anareo ho andevo mba ho fanefana ny trosako aminy? Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.


Andriamanitra sarotiny sy mpanafay ny TOMPO. Manafay tokoa ny TOMPO ary mahatsiravina ny fahatezerany; eny, manafay izay manohitra Azy ny TOMPO, ary mirehi-kavinirana amin’ny fahavalony.


Iza no mahajanona eo anoloan’ny fahavinirany? Ary zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Fa mihanaka toy ny afo ny fahatezerany; na dia ny vatolampy aza mitresaka eo anatrehany.


Nanomboka tamin’izany taona izany ary nandritra ny 18 taona ireo no nampahory sy nanenjika ny Israelita izay nonina tany Gilehada sy tao amin’ny faritanin’ny Amôrita teny an-dafy atsinanan’i Jôrdàna.


Ary mbola nanao ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita, ka natolotry ny TOMPO teo an-tanan’ny Filistinina nandritra ny efapolo taona.


Dia nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita ny TOMPO, ka namela azy ho azon’ireo andian-dahalo izay nandroba azy; natolony ho resin’ny fahavalo manodidina izy, hany ka tsy nahatohitra ireny intsony.


Koa natolotry ny TOMPO izy ho eo ambany fifehezan’i Jabîna, mpanjaka kanahanita, izay nanjaka tao Hatsôra. I Siserà, izay nonina tao Harôseta-Gôima, no lehiben’ny tafiny.


Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita ka natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan’ny Midianita nandritra ny fito taona.