Mpitsara 10:10 - DIEM PROTESTANTA Noho izany dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy ka nanao hoe: –Nanota taminao izahay, satria nandao Anao Andriamanitray ka nanompo ny Bahala andriamani-tsiizy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ny Zanak’Israely hoe: Efa nanota Taminao izahay, satria nahafoy an’Andriamanitray ka nanompo ireo Baala. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noho izany dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy ka nanao hoe: –Nanota taminao izahay, satria nandao Anao Andriamanitray ka nanompo ny Bahala andriamani-tsiizy. Baiboly Katolika Koa dia velon-taraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely, nanao hoe: «Nanota taminao izahay, fa nahafoy ny Andriamanitray, ka nanompo ny Baala». Baiboly Protestanta Malagasy Dia nitaraina tamin’i Jehovah ny Zanak’Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an’Andriamanitray ka nanompo ireo Bala. Malagasy Bible Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an'Andriamanitray ka nanompo ireo Bala. La Bible en Malgache Dia nitaraina tamin’NY TOMPO ny Zanak’Israely hoe: Efa nanota Taminao izahay, satria nahafoy an’Andriamanitray ka nanompo ireo Baala. |
Fa ny tapa-kazo itenenanareo hoe: «Ianao no raiko»; ary ny sarivongam-bato ilazanareo hoe: «Ianao no niteraka ahy». Tokony hijery manatrika Ahy ianareo, kanefa ny lamosina no atodikareo amiko. Saingy nony tra-pahoriana ianareo, dia hiantso vonjy amiko hoe: «Midira an-tsehatra ianao hamonjy anay»;
Niampita ny ony Jôrdàna mihitsy aza ny Hamônita mba hiady amin’ny fokon’i Joda sy i Benjamîna ary i Efraîma; ka nijaly mafy ny Israelita.
Koa niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny Israelita; ary IZY nanangana mpamonjy izay hanafaka ny Israelita, dia i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza izay zandrin’i Kaleba.
Nanana kalesy vy sivinjato i Jabîna ary nampahory fatratra ny Israelita nandritra ny roapolo taona; koa niantso vonjy tamin’ny TOMPO ireo.
ary nahantra loatra ny Israelita noho ny nafitsoky ny Midianita, ka niantso vonjy tamin’ny TOMPO.
Dia nitaraina tamin’ny TOMPO indray ireo razanareo ka nanao hoe: «TOMPO ô, efa nanota izahay satria nahafoy Anao ary nanompo ireo sampy, dia ny andriamani-dahy Bahala sy ny andriamani-bavy Hastôreta. Nefa ankehitriny, vonjeo amin’ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.»
Dia tafangona tao Mitsepà ny Israelita. Nanovo rano izy ireo, dia nararany tamin’ny tany teo anatrehan’ny TOMPO izany. Nifady hanina koa izy tamin’izany andro izany sady niaiky heloka hoe: «Efa nanota tamin’ny TOMPO izahay.» Tao Mitsepà no nahatonga an’i Samoela ho filohan’ny vahoaka Israely.