Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Mpitsara 1:10 - DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia nandeha izy namely ny Kanahanita tao Hebrôna, izay nantsoina hoe Kiriata-Arbà tamin’izany fotoana izany, ka nandresy ny tarik’i Sesay sy i Ahimàna ary i Talmay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nandeha i Joda hiady amin’ny Kananita izay nonina tany Hebrona, Kiriata-Arba no anarany taloha; dia namono an’i Sesay sy i Ahimana ary i Talmay izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia nandeha izy namely ny Kanahanita tao Hebrôna, izay nantsoina hoe Kiriata-Arbà tamin’izany fotoana izany, ka nandresy ny tarik’i Sesay sy i Ahimàna ary i Talmay.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nandroso i Jodà namely ny Kananeanina nonina tany Hebrôna, izay nantsoina fahiny hoe Kariata-Arbe, ary nandresy an’i Sesaia sy i Ahimàna ary Tolmaia.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nandeha Joda hiady amin’ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran’i Hebrona taloha), ka namono an’i Sesay sy Ahimana ary Talmay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nandeha Joda hiady amin'ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran'i Hebrona taloha), ka namono an'i Sesay sy Ahimana ary Talmay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nandeha i Joda hiady amin’ny Kananita izay nonina tany Hebrona, Kiriata-Arba no anarany taloha; dia namono an’i Sesay sy i Ahimana ary i Talmay izy.

Jereo ny toko



Mpitsara 1:10
12 Rohy Ifampitohizana  

dia maty tao Kiriata-Arbà, izany hoe tao Hebrôna, any amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga i Abrahama mba hisaona sy hitomany an’i Sarà.


Fa hoy indray i Jakôba hoe: –Mandehana ianao ka jereo na tsara ihany izy ireo sy ny andian’ondry aman’osy na tsia. Avy eo dia miverena hilaza amiko ny vaovao. Avy teo amin’ny lohasahan’i Hebrôna i Jôsefa no nirahin-drainy. Nony tonga tao akaikin’i Sekema izy,


Mbola nahita zavatra betsaka tetỳ ambonin’ny tany koa aho. Tsy ny faingam-pandeha hatrany no mandresy eo amin’ny fihazakazahana; ary tsy ny mahery fo hatrany no mandresy eo amin’ny ady. Tsy ny hendry no mora mahazo ny hanina hohaniny; ary tsy ny manan-tsaina no mora mahazo harena. Tsy ny olo-mahay no tsy maintsy homem-boninahitra, fa samy mpahazo ny rehetra na ny fanambinana na ny sampona.


Fa raha misy te hirehareha, dia aoka izy hirehareha ho afaka mahafantatra Ahy sy mahalala fa Izaho TOMPO, dia mampihatra ny hatsaram-po ary ny rariny sy ny hitsiny eto an-tany. Eny, ny olona toy ireny no sitrako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»


Niakatra avy any atsimo izy ireo ka tonga tao Hebrôna izay nonenan’ny tarik’i Ahimàna sy i Sesay ary i Talmay, samy taranaky ny Hanakita. I Hebrôna dia niorina fito taona talohan’i Tsôhàna any Ejipta.


Hitanay tao hatramin’ireo olona goavambe taranak’i Hanàka aza; tahaka ny valala izahay miohatra aminy, ary dia toy izany koa no fijeriny anay.


Dia niala tao Heglôna i Josoa sy ny Israelita niaraka taminy ka niakatra ho any Hebrôna, ary nanafika azy.


Fa ny anaran’i Hebrôna, talohan’ny nahazoan’i Kaleba azy, dia Kiriata-Arbà na hoe tanànan’i Arbà, satria i Arbà no olo-malaza indrindra tamin’ny Hanakita. Dia nitsahatra ny ady ka nandry feizay ny tany.


Dia nomena an’i Kaleba i Hebrôna araka izay efa nolazain’i Mosesy azy. Ireo tarika hanakita telo mponin’i Hebrôna dia noroahin’i Kaleba hiala tao.


Taorian’izany, dia nidina ireo hiady tamin’ny Kanahanita izay nonina teny an-kavoana sy tany amin’ny faritra atsimo ary tany amin’ny lemak’i Sefelà.