Hisaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany tontolo ho henika ny voninahiny! Amen! Amen!
Mika 2:9 - DIEM PROTESTANTA Ny vehivavy eo amin’ny vahoakako dia roahinareo hiala amin’ny trano tsy foiny; esorinareo hiala mandrakizay amin-janany ny hasambarana nomeko azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny vehivavy amin’ny oloko dia roahinareo hiala amin’ny tranony mahafinaritra; esorinareo hiala mandrakizay amin’ny zanany madinika ny voninahitra avy Amiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny vehivavy eo amin’ny vahoakako dia roahinareo hiala amin’ny trano tsy foiny; esorinareo hiala mandrakizay amin-janany ny hasambarana nomeko azy. Baiboly Katolika Ny vehivavy eo amin’ny vahoakako roahinareo hiala amin’ny tranony tsy foiny; esorinareo eo amin’ny zanany madinika ny voninahitro hiala aminy mandrakizay. Baiboly Protestanta Malagasy Ny vehivavy eo amin’ny oloko dia roahinareo hiala amin’ny tranony mahafinaritra; Esorinareo hiala mandrakizay amin’ny zanany madinika ny voninahitro. Malagasy Bible Ny vehivavy eo amin'ny oloko dia roahinareo hiala amin'ny tranony mahafinaritra; Esorinareo hiala mandrakizay amin'ny zanany madinika ny voninahitro. La Bible en Malgache Ny vehivavy amin’ny oloko dia roahinareo hiala amin’ny tranony mahafinaritra; esorinareo hiala mandrakizay amin’ny zanany madinika ny voninahitra avy Amiko. |
Hisaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany tontolo ho henika ny voninahiny! Amen! Amen!
Rava ny laiko, tapaka avokoa ny tadiny. Tsy manan-janaka intsony aho fa lasa ireo. Tsy misy hanangana ny laiko intsony na hanorina indray ny fialofako.»
«Hasehoko amin’ny hafa firenena ny voninahitro. Ho hitan’izy rehetra didim-pitsarana izay hampihariko aminy sy ny fahefana izay hampiasaiko aminy.
Hitsahiny eo ambony vovo-tany ny lohan’ny osa, ary aviliviliny ny fitarainan’ny mpandefitra eo amin’ny fitsarana. Olona mianaka, dia mifandimby mandry amin’ny zatovovavy iray ihany mba hanevatevana ny anarako masina.
Mitsiriritra saha izy, dia mangalatra izany; na mitsiriritra trano, dia mahalasa azy; alainy ankeriny na ny loham-pianakaviana sy ny ankohonany na ny olona mbamin’ny fananany.
Eny, ny fiekena ny TOMPO be voninahitra dia hanenika ny mponin’ny tany tokoa tahaka ny anaronan’ny ranobe ny fanambanin’ny ranomasina.
–Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny vavahady mankao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; ka ianareo tsy miditra, ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra. [
Ataony tapitra ny fananan’ny mpitondratena, ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa.
Ataony tapitra ny fananan’ny mpitondratena ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa.
Isika rehetra kosa dia tsy mba misaron-tava, fa toy ny fitaratra tarafin’ny voninahitry ny Tompo; ka dia miova endrika hanahaka ny Tompo isika, sady mitombo hatrany ny famirapiratantsika, araka ny asa tontosain’ilay Fanahin’ny Tompo.
Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: «Aoka ny mazava hamirapiratra avy ao anaty haizina», no nampamirapiratra ny mazava ao am-ponay, mba hampisehoanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay hita eo amin’ny tavan’i Jesoa Kristy.
Ary ankehitriny, aoka ianao, ry mpanjaka tompoko, hihaino izay holazaiko aminao: raha ny TOMPO no manosika anao hanao izany amiko, aoka hampitony Azy ny sorona aterina aminy; fa raha olombelona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan’ny TOMPO izy satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin’ny tany nomen’ny TOMPO ka toy ny manao amiko hoe: «Mandehana manompo andriamani-kafa.»