Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; elabe mialoha, dia efa tsinjonao ny hevitro.
Matio 9:4 - DIEM PROTESTANTA Fantatr’i Jesoa ny eritreritry ny mpahay lalàna ka hoy Izy: –Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny dia niteny hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fantatr’i Jesoa ny eritreritry ny mpahay lalàna ka hoy Izy: –Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? Baiboly Katolika Fa i Jesoa nahalala ny eritreriny ka nanao hoe: «Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? Baiboly Protestanta Malagasy Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana hianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? Malagasy Bible Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia nanao hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? La Bible en Malgache Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny dia niteny hoe: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo? |
Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana; elabe mialoha, dia efa tsinjonao ny hevitro.
«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Amin’izany andro izany dia hisy hevitra maro ho tonga ao an-tsainao ka hamorona teti-dratsy ianao.
Fantatr’i Jesoa anefa ny eritreritr’ireo Farisianina ka hoy Izy taminy: –Ho rava izay fanjakana miady an-trano, ary tsy haharitra izay tanàna na koa ankohonana miady an-trano.
Fantatr’i Jesoa anefa ny fihatsarambelatsihin’ireo, ka hoy Izy taminy: –Nahoana no maka fanahy Ahy ianareo? Itondray vola denàry anankiray Aho hojereko.
Takatr’i Jesoa avy hatrany ny eritreritr’iretsy mpahay lalàna ka hoy Izy taminy: –Nahoana ianareo no mieritreritra izany ao am-ponareo?
I Jesoa anefa nahalala ny tao am-pony ka nanao taminy hoe: –Ho rava izay fanjakana mifanao an-kolafiny ary hirodana tsy hisy tavela ny trano ao aminy.
Takatr’i Jesoa ny eritreritry ny mpahay lalàna sy Farisianina ka notsenainy ry zareo nataony hoe: –Inona izato eritreretinareo ao am-ponareo?
Fantatr’i Jesoa anefa ny eritreriny, ka hoy Izy tamin-dralehilahy maty tanana: –Mitsangàna ka ndeha mijoro etsy afovoan’ny olona. Dia nitsangana ilay marary ka nijoro.
Ary i Jesoa niteny taminy hoe: –Simôna ô, misy zavatra tiako holazaina aminao! Dia hoy i Simôna hoe: –Lazao àry hoe, ry Mpampianatra!
Fantatr’i Jesoa fa te hanontany Azy ny mpianany, ka hoy Izy taminy: –Mifanontany ve ianareo ny amin’ny teniko hoe: «Rehefa afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray, dia hahita Ahy ianareo»?
Fantatray izao fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy mila hanontanian’olona: izany no inoanay fa nivoaka avy any amin’Andriamanitra Ianao!
Ary hoy indray i Jesoa tamin’i Petera fanintelony: –Ry Simôna zanakalahin’i Jôhany, moa tia Ahy ve ianao? Dia nalahelo i Petera fa nataon’i Jesoa fanintelony hoe: «Moa tia Ahy ve ianao?», ka hoy ny navaliny Azy: –Ianao, ry Tompo, no mahalala ny zavatra rehetra, ka fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy: –Fahano ireo ondriko.
Fantatr’i Jesoa tao am-pony fa nimonomonona ny mpianany noho izany teny izany, ka hoy Izy taminy: –Misakana anareo tsy hino Ahy ve izany?
kanefa misy tsy mino aminareo. (Fantatr’i Jesoa hatramin’ny voalohany manko ireo tsy mino sy ilay hanolotra Azy.)
Ary hoy i Petera taminy: –Nahoana no dia niray tetika nizaha toetra ny Fanahin’ny Tompo ianareo? Mby eo an-tokonam-baravarana izao ireo zatovo avy nandevina ny vadinao, ka hoentiny halevina koa ianao.
Hovonoiko ho faty ny zanany, ka ho fantatry ny Fiangonana rehetra fa Izaho no mahalala ny ao am-po tsy miloatra; ary hovaliako araka ny asanareo avy ianareo.