Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 9:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpahay lalàna dia nanao anakampo hoe: «Manevateva an’Andriamanitra ilay io!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ary indreo ny mpanoradalàna sasany dia niteny anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpahay lalàna dia nanao anakampo hoe: «Manevateva an’Andriamanitra ilay io!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Tamin’izay ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna nanao anakampo hoe: «Miteny ratsy an’Andriamanitra Ilay io.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary, indreo, ny mpanora-dalàna sasany nanao anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ary indreo ny mpanoradalàna* sasany dia niteny anakampo hoe: Miteny ratsy ity Lehilahy ity.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 9:3
13 Rohy Ifampitohizana  

Koa izay manevateva ny anaran’ny TOMPO, dia hatao maty tokoa: hamono azy amin-torabato ny Israelita rehetra tafangona. Na vahiny izy na tompontany, rehefa manevateva ny anaran’Andriamanitra, dia hatao maty tokoa.


«Fa raha Israelita na vahiny kosa no manao fanahy iniana manota ka manamavo Ahy TOMPO, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoakako izy.


Tamin’izay ny mpisorombe dia nandriatra ny fitafiany sady niteny hoe: –Nanevateva an’Andriamanitra Izy; ka inona indray no ilàntsika vavolombelona hiampanga. Indro renareo teo ny fanevatevàny an’Andriamanitra;


nampianatra azy tamim-pahefana manko i Jesoa fa tsy mba tahaka ireo mpahay lalàna jiosy.


Renareo teo ny fanevatevàny an’Andriamanitra, ka ahoana ianareo amin’izany? Dia samy nanameloka an’i Jesoa izy rehetra ka nilaza fa mendrika Azy ny ho faty.


Ary lazaiko marina aminareo fa havelan’Andriamanitra avokoa ny heloka rehetra vitan’ny olombelona ary koa ny fanevatevana rehetra ataony an’Andriamanitra;


fa na iza na iza manevateva ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka na oviana na oviana, satria fahotana raiki-tampisaka aminy mandrakizay no mahameloka azy.


satria avy ao anaty, avy ao am-pon’ny olona no ipoiran’ny sain-dratsy mahatonga azy hijangajanga, hangalatra, hamono olona,


Ireo mpahay lalàna sy Farisianina kosa nieritreritra anakampo hoe: «Mba iza ity manevateva an’Andriamanitra ity? Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery ihany?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra