Matio 8:9 - DIEM PROTESTANTA Izaho manko, na ambany fahefan’olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izaho koa dia mba lehilahy manana lehibe ihany ary manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy aho amin’ny iray: Mandehana! Dia mandeha izy; ary amin’ny iray koa: Avia! Dia avy izy; ary amin’ny mpanompoko: Ataovy izao! Dia manatanteraka izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izaho manko, na ambany fahefan’olona aza, dia mba mifehy miaramila ihany; ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy. Baiboly Katolika Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin’ny iray hoe: Andeha ianao, dia mandeha izy; ary amin’ny anankiray: Avia ianao, dia avy izy; ary amin’ny ankiziko: Ataovy izao, dia manao izy.» Baiboly Protestanta Malagasy Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin’ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin’ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin’ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy. Malagasy Bible Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany ka manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy; ary amin'ny anankiray koa: Avia, dia avy izy; ary amin'ny andevolahiko: Ataovy izao, dia manao izy. La Bible en Malgache Fa izaho koa dia mba lehilahy manana lehibe ihany ary manana miaramila izay feheziko; ary raha hoy aho amin’ny iray: Mandehana! Dia mandeha izy; ary amin’ny iray koa: Avia! Dia avy izy; ary amin’ny mpanompoko: Ataovy izao! Dia manatanteraka izy. |
ry afo sy havandra, ry orampanala sy zavona, ry rivotra mahery izay mpankatò ny teniny;
Gaga i Jesoa raha nandre izany, ka loa-bolana tamin’ireo nanaraka Azy nanao hoe: –Lazaiko marina aminareo fa mbola tsy nisy olona nahitako finoana toy izany tamin’i Israely.
Dia novalian’ny kapiteny hoe: –Tompo ô, tsy mendrika handrosoanao an-trano aho; fa teny fotsiny re atao, dia ho sitrana ny mpanompoko.
Raiki-tahotra ny olona rehetra ka nifanontany hoe: –Inona ity? Izany ka fampianarana vaovao ombàm-pahefana! Na dia ny fanahy maloto aza, baikon’ity olona ity ka manaiky Azy!
Niondrika teo amin-dravehivavy i Jesoa; ary notenenin’i Jesoa mafy ny tazo, ka niala taminy. Dia nitsangana teo no ho eo ihany ravehivavy nandroso sakafo ho an’ireo vahiny.
Izaho manko, na ambany fahefàn’olona aza, mba mifehy miaramila ihany: ka raha misy ataoko hoe «Mandehana», dia mandeha izy; na misy antsoiko hoe «Avia», dia avy izy; ary raha ny mpiasako no ilazako hoe «Ataovy izao», dia manao izy.
Novorîn’i Jesoa ny 12 lahy, ka nomeny hery amam-pahefana hampiaiky ny demony rehetra sy hahasitrana ny aretina,
Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo ara-nofo amin’ny zavatra rehetra. Aza eo imasony ihany no manao izany, toy ny mila sitraka amin’olona; fa maneke amim-pahatsoram-po noho ny fanajànareo an’i Jesoa Tompo.
Anaro koa ny mpanompo mba hanaiky ny tompony, ka hanao izay sitraky ny tompony amin’ny zavatra rehetra: tsy hamalivaly azy,