Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Matio 24:1 - DIEM PROTESTANTA

Dia niala teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa ka lasa nandeha; fa nanatona Azy kosa ny mpianany hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa niala tao amin’ny tempoly Jesosy dia lasa nandeha; ary nanatona Azy ny mpianany mba hampijery Azy ny rafitry ny tempoly.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niala teo an-kianjan’ny tempoly i Jesoa ka lasa nandeha; fa nanatona Azy kosa ny mpianany hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony nivoaka avy tao amin’ny Tempoly i Jesoa ka lasa nandeha, dia nanatona Azy ny mpianany hampijery Azy ny rafitry ny Tempoly;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY nony niala teo an-kianjan’ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony niala teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa niala tao amin’ny tempoly Jesosy dia lasa nandeha; ary nanatona Azy ny mpianany mba hampijery Azy ny rafitry ny tempoly.

Jereo ny toko



Matio 24:1
11 Rohy Ifampitohizana  

«Rehefa tonga any Babilôna ianao, dia imasoy ny hamaky mafy ireo teny rehetra ireo;


Minoa anatra ianao, ry Jerosalema; raha tsy izany, dia hihatahako ianao, ka hataoko tanàna lao sy tany tsy honenana.


Dia hoy indray ny Andriamanitra hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hitanao tsara ve izay ataon’ny olona eo? Fa ny firenen’i Israely dia manao izay fomba maharikoriko mba hampanalavitra Ahy amin’ity toerako masina ity. Nefa mbola hahita fomba hafa maharikoriko toy izany ianao.»


Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hoesoriko aminy ireny, ka tsy hisy miangana. Eny, hahita loza koa izy amin’ny handaozako azy.


Nony tafiditra tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa, dia nampianatra. Ary nanatona Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny loholon’ny vahoaka jiosy ka nanontany Azy hoe: –Fahefana ahoana moa no anaovanao an’izao? Ary iza no nanome anao izany fahefana izany?


Ary lazaiko aminareo fa tsy ho hitanareo intsony Aho mandra-pilazanareo hoe: «Hombàm-pitahiana amin’ny anaran’ny Tompo anie Ilay avy!»


Ka hoy ry zareo: –46 taona izao no nanaovana ity tempoly ity, ka Ianao ve no hahatafajoro azy ao anatin’ny telo andro?