Ary hitan-dravehivavy fa maha te hihinana ny voan’ilay hazo sady mahasarika ny maso no mampitsiriritra hahazoana fahiratan-tsaina. Dia nitoazany ny voany ka nohaniny; ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy ka nihinana.
Marka 9:47 - DIEM PROTESTANTA Ary raha mitarika anao amin’ny ratsy ny masonao ila, dia esory; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha ny masonao no manafintohina anao dia esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso any amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny afobe; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary raha mitarika anao amin’ny ratsy ny masonao ila, dia esory; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo. Baiboly Katolika izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny helo; Malagasy Bible Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy: fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fanjakan'Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo; La Bible en Malgache Ary raha ny masonao no manafintohina anao dia esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso any amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny afobe; |
Ary hitan-dravehivavy fa maha te hihinana ny voan’ilay hazo sady mahasarika ny maso no mampitsiriritra hahazoana fahiratan-tsaina. Dia nitoazany ny voany ka nohaniny; ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy ka nihinana.
Ary raha mitarika anao amin’ny ratsy ny masonao ila, dia esory ka ario lavitra anao; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo.
Izaho koa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin’ny namana iray finoana dia mendrika hatolotra ny fitsarana isan-tanàna; izay hanao ny namana iray finoana hoe: misy kely, dia mendrika hatolotra ny Fitsarana ambony; izay hanao azy hoe: foka, dia mendrika havarina any amin’ny lohasahan’afo.
Raha mitarika anao amin’ny ratsy ny tananao ila, dia tapaho; fa aleo ianao tokan-tanana nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary tanan-droa nefa mivarina any amin’ny lohasahan’afo, dia any amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra. [
–Raha misy manatona Ahy, aoka ho tia Ahy mihoatra noho ny ray aman-dreniny sy ny vady aman-janany mbamin’ny mpiray tampo aminy, ary mihoatra noho ny tenany aza; fa raha tsy izany, tsy afaka ho mpianatro.
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy afa-mahita ny Fanjakàn’Andriamanitra.
Ka novalian’i Jesoa hoe: –Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy Masina ny olona, dia tsy afa-miditra ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.
Nankaiza àry ilay fankamamianareo ahy nahasambatra anareo? Ijoroako ho vavolombelona aminareo manko fa, raha azo natao, na dia ny masonareo aza dia ho nombotanareo homena ahy tamin’izay.