Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 9:43 - DIEM PROTESTANTA

43 Raha mitarika anao amin’ny ratsy ny tananao ila, dia tapaho; fa aleo ianao tokan-tanana nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary tanan-droa nefa mivarina any amin’ny lohasahan’afo, dia any amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra. [

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

43 Ary raha ny tananao no mahatafintohina anao dia tapaho izy; fa tsara ho anao ny miditra kilemaina any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ny afobe, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

43 Raha mitarika anao amin’ny ratsy ny tananao ila, dia tapaho; fa aleo ianao tokan-tanana nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary tanan-droa nefa mivarina any amin’ny lohasahan’afo, dia any amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra. [

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

43 izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

43 Ary raha ny tànanao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin’ny fiainana noho ny manana tànana roa, nefa hariana any amin’ny helo, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

43 Ary raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin'ny helo, dia any amin'ny afo tsy azo vonoina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

43 Ary raha ny tananao no mahatafintohina anao dia tapaho izy; fa tsara ho anao ny miditra kilemaina any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa, nefa hariana any amin’ny afobe*, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina;

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 9:43
23 Rohy Ifampitohizana  

ary na ankafiziny ela aza izany ka tahiriziny ao ambanin’ny lanilaniny,


Ho toy ny vohavoha ny lehilahy mahery ary ho toy ny kilalaon’afo ny asany hodorana miaraka izy roa tonta ka tsy misy hamono ny afo.


Aoka ho voafora ho Ahy TOMPO ianareo ka esory ny loto ao amin’ny fonareo ry olon’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Fandrao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian’ny ataonareo ka handevona izao rehetra izao; ary tsy hisy hamono ny afo.


Kanefa aoka isika tsy hanao izay hampisafoaka ireo olona ireo! Noho izany, ndeha ianao manjono eny am-parihy, dia raiso izay trondro voalohany azonao; ary sokafy ny vavany fa hahitanao vola mitetina denàry efatra. Ento izany ka omeo ireo olona ireo hanefana ny hetrako sy ny anao!


Ary dia izao kosa no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankaviany: «Mialà amiko ianareo voaozona, mandehana any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.


Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.


Izaho koa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin’ny namana iray finoana dia mendrika hatolotra ny fitsarana isan-tanàna; izay hanao ny namana iray finoana hoe: misy kely, dia mendrika hatolotra ny Fitsarana ambony; izay hanao azy hoe: foka, dia mendrika havarina any amin’ny lohasahan’afo.


Any, «ny olitra mivoaka amin’ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.»]


Fa raha misy fanasana ataonao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa mbamin’ny jamba kosa asaina;


Dia niverina ilay mpiasa ka nanambara izany tamin’ny tompony. Nisafoaka ilay tompom-panasana ka nanao tamin’ilay mpiasa hoe: «Mandehana faingana ianao mankeny amin’ireo kianja sy araben’ny tanàna, ka ampandrosoy atỳ ny mahantra sy ny kilemaina mbamin’ny jamba sy ny mandringa.»


Eny an-tanany ny fikororohana hanadiovany tanteraka ny vary eo am-pamoloana: ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.


Satria raha velona araka ny maha olona mpanota ianareo, dia ho faty; fa raha ny Fanahy Masina no amonoanareo ny asan’ny maha olona mpanota, dia ho velona ianareo.


Folahiko mafy ny tenako ary feheziko fatratra, fandrao izaho efa nitory tamin’ny hafa indray no tonga voailika.


Ireo voatokana ho an’i Kristy Jesoa dia efa nanombo teo amin’ny hazofijaliana ilay maha olona mpanota azy ireo mbamin’ny filàndratsiny amam-paniriany.


Vonoy ireo zavatra etỳ an-tany mangeja ny tenanareo: dia ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny filàndratsy, ny fitsiriritan-dratsy, ary ny fitiavan-karena (fa fanompoan-tsampy ny fitiavan-karena).


Izany fahasoavana izany dia mitaiza antsika handà ny toetra tsy miraharaha an’Andriamanitra sy handà ny filàn’izao tontolo izao, fa ho velona mahafehy tena sy mandala ny rariny ary tia vavaka mandritra izao fiainana ankehitriny izao.


Voahodidina vavolombelona marobe tokoa àry isika; noho izany, dia aoka hanaisotra ny zavatra rehetra manembantsembana ny hazakazaka ataontsika sy hanaisotra ny ota mora mangeja antsika, ary hiezaka amim-paharetana eo amin’izao fifaninanana hazakazaka naroso hataontsika izao.


Koa esory ny haratsiam-panahy rehetra sy ny fitaka rehetra mbamin’ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanosoram-potaka isan-karazany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra