Dia tonga ny Farisianina hiady hevitra amin’i Jesoa. Te hamandrika Azy ry zareo ka nangataka Azy hanao famantarana ho porofo fa avy amin’Andriamanitra ny fahefany.
Marka 9:16 - DIEM PROTESTANTA Dia nanontany ireto mpianatra i Jesoa nanao hoe: –Inona izato iadianareo hevitra amin’ny mpahay lalàna? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanontany azy ireo Izy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin’ireo? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanontany ireto mpianatra i Jesoa nanao hoe: –Inona izato iadianareo hevitra amin’ny mpahay lalàna? Baiboly Katolika ka novalian’ny anankiray tamin’ny vahoaka hoe: «Ry Mpampianatra ô, nitondra ny zanako lahy azon’ny demony moana nankatỳ aminao Aho: Baiboly Protestanta Malagasy Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin’ireto? Malagasy Bible Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin'ireto? La Bible en Malgache Ary nanontany azy ireo Izy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin’ireo? |
Dia tonga ny Farisianina hiady hevitra amin’i Jesoa. Te hamandrika Azy ry zareo ka nangataka Azy hanao famantarana ho porofo fa avy amin’Andriamanitra ny fahefany.
Raha vao nahita an’i Jesoa ny vahoaka rehetra, dia talanjona sady faly ka nirohotra niarahaba Azy.
Fa nisy olona iray tamin’ny vahoaka namaly Azy hoe: –Mpampianatra ô, nentiko eto aminao ny zanako lahy fa azon’ny fanahy mampahamoana.