Dia hoy ireo taminy: –Fahefana ahoana moa no anaovanao an’izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany, ka ahazoanao manao an’izao?
Marka 9:14 - DIEM PROTESTANTA Nony tafaverina teo amin’ny mpianatra hafa ry i Jesoa efa-mianaka, dia nahita vahoaka maro nanodidina ireto mpianatra ary koa mpahay lalàna niady hevitra taminy teo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nony tonga teo amin’ny mpianatra izy ireo dia nahita vahoaka betsaka nanodidina ny mpianatra izay niady hevitra tamin’ny mpanoradalàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony tafaverina teo amin’ny mpianatra hafa ry i Jesoa efa-mianaka, dia nahita vahoaka maro nanodidina ireto mpianatra ary koa mpahay lalàna niady hevitra taminy teo. Baiboly Katolika Gaga ny olona rehetra nony nahita an’i Jesoa, ka nidodododo hiarahaba Azy niaraka tamin’izay. Baiboly Protestanta Malagasy ARY nony tonga teo amin’ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy. Malagasy Bible Ary nony tonga teo amin'ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy. La Bible en Malgache Nony tonga teo amin’ny mpianatra izy ireo dia nahita vahoaka betsaka nanodidina ny mpianatra izay niady hevitra tamin’ny mpanoradalàna*. |
Dia hoy ireo taminy: –Fahefana ahoana moa no anaovanao an’izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany, ka ahazoanao manao an’izao?
ka nony tonga teo ry zareo, dia nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina Ianao sady tsy mampaninona anao izay mety ho hevitry ny hafa, ary tsy mizaha tavan’olona Ianao fa mampianatra tsotra ny lalana soritan’Andriamanitra. Koa azonay atao ve ny mandoa hetra ho an’ny amperôra rômanina sa tsia? Tokony handoa izahay sa tsy handoa?
Eny, hoy Aho aminareo, efa tonga tokoa i Elià sady nanaovan’ny sasany izay fampijaliana rehetra tiany hatao taminy araka ny voalazan’ny Soratra Masina momba azy.
Dia nankao amin’ny sinagôga i Paoly, ka niteny tamim-pahasahiana; nandritra ny telo volana izy dia nifanakalo hevitra sady niezaka handresy lahatra ny amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.
Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo.