Fa i Petera kosa nitondra an’i Jesoa hihataka kely sady niteny Azy mafy hoe: –Sanatria aminao izany, ry Tompo! Tsy hihatra aminao velively izany!
Marka 8:32 - DIEM PROTESTANTA Ary mazava tsara no nanaovan’i Jesoa izany teny izany. Fa i Petera kosa nitondra Azy hihataka kely sady niteny Azy mafy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nambarany mazava tsara izany teny izany. Ary nitondra Azy nihataka kely i Petera dia nanomboka niteny mafy Azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary mazava tsara no nanaovan’i Jesoa izany teny izany. Fa i Petera kosa nitondra Azy hihataka kely sady niteny Azy mafy. Baiboly Katolika sady nataony mazava tsara no filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy. Malagasy Bible Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy. La Bible en Malgache Ary nambarany mazava tsara izany teny izany. Ary nitondra Azy nihataka kely i Petera dia nanomboka niteny mafy Azy. |
Fa i Petera kosa nitondra an’i Jesoa hihataka kely sady niteny Azy mafy hoe: –Sanatria aminao izany, ry Tompo! Tsy hihatra aminao velively izany!
I Jesoa anefa natory teo amin’ny zoron-tsambo terỳ aoriana fa nisy ondana niondanany teo; ary nofohazin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe: –Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao ve na ho faty aza isika?
Fa i Marta kosa sahirana tamin’ny raharaha isan-karazany; dia niato izy ka nanao hoe: –Moa tsy mampaninona Anao ve, ry Tompo, izao amelan’ny rahavaviko ahy hanao raharaha irery izao? Mba asaovy manampy ahy re izy!
Koa nitangoronan’ny Jiosy Izy nanontaniany hoe: –Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Ianao tokoa no ilay Mesia, mba lazao mazava aminay!
–Fanoharana no nilazako izany taminareo; fa ho avy ny vaninandro izay tsy hanaovako fanoharana aminareo intsony fa hambarako tsotra aminareo ny momba ny Ray.
Dia hoy ny mpianatr’i Jesoa taminy: –Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manana fanoharana akory.
ka novalian’i Jesoa hoe: –Izaho dia niteny an-karihary tamin’izao tontolo izao; Izaho dia nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagôga sy teo an-kianjan’ny tempoly izay ivorian’ny Jiosy rehetra fa tsy niteny na inona na inona an-takona.