Dia nijery izy ka indro nisy mofo voaendy tamin’ny vato mahamay sy rano iray tavoara teo anilan’ny lohany. Rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray;
Marka 8:2 - DIEM PROTESTANTA –Mahonena Ahy ireto vahoaka, satria efa telo andro izao no teto amiko, ka tsy manan-kohanina intsony; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mahonena Ahy ireto vahoaka ireto, fa hateloana izay no nitoerany teto Amiko ka tsy manan-kohanina intsony izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Mahonena Ahy ireto vahoaka, satria efa telo andro izao no teto amiko, ka tsy manan-kohanina intsony; Baiboly Katolika «Mampalahelo Ahy ity vahoaka, fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-kohanina; Baiboly Protestanta Malagasy Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy; Malagasy Bible Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy; La Bible en Malgache Mahonena Ahy ireto vahoaka ireto, fa hateloana izay no nitoerany teto Amiko ka tsy manan-kohanina intsony izy. |
Dia nijery izy ka indro nisy mofo voaendy tamin’ny vato mahamay sy rano iray tavoara teo anilan’ny lohany. Rehefa avy nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray;
Mifantoka aminao ny mason’izao rehetra izao fa Ianao manome azy ny sakafony ara-potoana.
Hamindranao fo indray izahay, hohitsakitsahinao ny helokay; ary any ambany ranomasina lalina any no hanarianao ny fahotanay rehetra.
Rehefa nidina avy ao an-tsambokely i Jesoa, dia nahita vahoaka marobe, ka onena azy ka nanasitrana ny marary teo aminy.
Onena i Jesoa ary nikasika ny mason’ireto jamba. Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy roa lahy, ka lasa nanaraka an’i Jesoa.
Onena Izy nahita ny vahoaka, satria niferinaina ireo sady nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Onena azy i Jesoa ka nanatsotra tanana nikasika azy sady niteny hoe: –Sitrako, madiova ianao.
Tsy nanaiky i Jesoa fa niteny taminy hoe: –Andeha mody any an-tranonao, any amin’ireo havanao; ka lazao azy izay rehetra nataon’ny Tompo taminao noho ny famindrampony.
Rehefa niala tao an-tsambokely i Jesoa, dia nahita vahoaka maro; ka onena azy ireo ny fony satria tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ireo, ary dia zavatra maro no nampianariny azy ireo.
ary raha alefako mody tsy misakafo ireo, dia ho reraka eny an-dalana satria avy lavitra ny sasany.
Ary matetika izy no nazeran’io fanahy io tany anaty afo sy tany anaty rano hamonoana azy; koa raha misy efanao re, dia mamindrà fo aminay ka vonjeo izahay!
Dia lasa tokoa izy nody any amin-drainy. Raha mbola lavitra ny trano ilay zatovo, dia tazan-drainy. Onena azy tokoa irainy ka nihazakazaka nitsena, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy.
Vao nahita an-dravehivavy ny Tompo, dia onena azy ka nanao taminy hoe: –Aoka izay ny ranomasonao, ramatoa!
Koa amin’ny zavatra rehetra dia tsy maintsy tahaka ireo zandriny Izy, ka ho tonga Mpisorombe mamindra fo sy mahatoky eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, mba hanonitra ny heloky ny vahoaka.
Tsy mba Mpisorombe tsy afaka miara-mizaka ny fahalementsika no ananantsika, fa Mpisorombe efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika ihany, saingy tsy mba nanota.
Mahay mitondra mora ireo tsy mahalala sy maniasia izy, satria na ny tenany aza dia mba hodidinin’ny fahalemena koa.