Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 7:25 - DIEM PROTESTANTA

Dia nisy vehivavy anankiray izay, nanan-janaka vavy azon’ny fanahy maloto; vao nandre momba an’i Jesoa ravehivavy, dia lasa nankao aminy ka niankohoka teo an-tongony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa niaraka tamin’izay dia nisy vehivavy iray izay azom-panahy maloto ny zanany vavy kely; nandre ny Aminy izy ka tonga niankohoka teo amin’ny tongony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nisy vehivavy anankiray izay, nanan-janaka vavy azon’ny fanahy maloto; vao nandre momba an’i Jesoa ravehivavy, dia lasa nankao aminy ka niankohoka teo an-tongony.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa vetivety foana dia nisy vehivavy anankiray nanan-janakavavy azon’ny fanahy maloto nandre izany, ka tonga niankohoka tamin’ny tongony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa niaraka tamin’izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zanani-vavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin’ny tongony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa niaraka tamin'izay dia nisy vehivavy anankiray nandre ny aminy (ny zananivavy tanora dia azom-panahy maloto), dia nankao ka niankohoka tamin'ny tongony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa niaraka tamin’izay dia nisy vehivavy iray izay azom-panahy maloto ny zanany vavy kely; nandre ny Aminy izy ka tonga niankohoka teo amin’ny tongony.

Jereo ny toko



Marka 7:25
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary indro nisy vehivavy kanahanita, avy amin’izany faritany izany, tonga teo amin’i Jesoa sady niantsoantso mafy hoe: –Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida ô; fa ampahorîn’ny demony mafy loatra ny zanako vavy!


Ary nanatona an’i Jesoa ity lehilahy marary hoditra ka nitalaho taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: –Raha sitrakao, dia hainao diovina aho.


Dia raiki-tahotra sady nangovitra ravehivavy satria nahalala tsara ny zavatra nitranga tao aminy; ka tonga niankohoka teo anatrehan’i Jesoa izy ary nilaza taminy ny marina rehetra.


Dia niala teo i Jesoa ary lasa nankany amin’ny faritany akaikin’ny tanàna atao hoe Tiro; ary niditra tao an-trano anankiray Izy fa tsy te ho fantatry ny olona, kanefa tsy afa-niafina.


Miteny grika ravehivavy sady Sirôfenisianina firazanana; ary niangavy an’i Jesoa izy handroaka ny demony hiala tao amin-janany.


niankohoka teo an-tongotr’i Jesoa sady nisaotsaotra Azy; ary Samaritanina ralehilahy.