Marka 7:24 - DIEM PROTESTANTA Dia niala teo i Jesoa ary lasa nankany amin’ny faritany akaikin’ny tanàna atao hoe Tiro; ary niditra tao an-trano anankiray Izy fa tsy te ho fantatry ny olona, kanefa tsy afa-niafina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ny sisintanin’i Tiro sy i Sidona. Dia niditra tao amin’ny trano iray Izy, ary tsy tiany ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy afaka niery Izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niala teo i Jesoa ary lasa nankany amin’ny faritany akaikin’ny tanàna atao hoe Tiro; ary niditra tao an-trano anankiray Izy fa tsy te ho fantatry ny olona, kanefa tsy afa-niafina. Baiboly Katolika Nony niala teo Izy dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidona, ary niditra tao an-trano anankiray, fa tsy te ho fantatr’olona, nefa tsy nahazo niery. Baiboly Protestanta Malagasy ARY niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ny sisin-tanin’i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy. Malagasy Bible Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin'ny sisin-tanin'i Tyro sy Sidona; dia niditra tao an-trano Izy, ary tiany tsy ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy nahazo niery Izy. La Bible en Malgache Ary niala teo Jesosy ka lasa nankany amin’ny sisintanin’i Tiro sy i Sidona. Dia niditra tao amin’ny trano iray Izy, ary tsy tiany ho fantatry ny olona izany; kanefa tsy afaka niery Izy. |
ka ny faritaniny dia nanomboka hatreo Tsidôna mihazo an’i Gerara ka hatrany Gazà, ary mankany Sôdôma sy Gômôra ary Admà sy Tsebôima ka hatrany Lesà.
I Zebolòna dia honina eo amoron-dranomasina, dia eo amin’izay hisy seranan-tsambo; hivelatra hatrany Tsidôna ny faritaniny.
Fa hoy ny Tompo hoe: «Tsy afaka hiravoravo intsony ianareo mponina ao Tsidôna fa afa-baràka toy ny virijiny naolana. Na hiainga aza ianareo ka hiampita hatrany amin’ny nosy Sipra, dia tsy hanam-pitsaharana any akory.
«Ry ilay taranak’olombelona, ambarao amin’ny mpanjakan’i Tiro fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Fo miavonavona no nilazanao ny tenanao ho andriamanitra sady mipetraka amina sezafiandrianana mendrika an’ireo andriamanitra, dia sezafiandrianana eo anivon-dranomasina. Nihevi-tena ho mitovy amin’ireo andriamanitra ianao nefa olombelona ihany fa tsy andriamanitra akory.
–Mampalahelo ianao, ry Kôrazìna! Mampalahelo ianao, ry Betsaidà! Raha i Tiro sy i Sidôna no nahavitana ireo asa mahagaga natao teo aminareo, dia efa ela ireo no nitafy lamba fisaonana ary nihosin-davenona hanambaràny fa nialany ny toetra ratsiny.
Ary rehefa niditra tao an-trano i Jesoa, dia nohatonin’ireo jamba; ka hoy i Jesoa taminy: –Mino ve ianareo fa haiko atao izany? Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Eny, Tompoko!
Tafaverina tao Kafarnahòma indray i Jesoa rehefa afaka andro vitsivitsy, ary ren’ny olona fa hoe tao an-trano Izy.
Dia nisy vehivavy anankiray izay, nanan-janaka vavy azon’ny fanahy maloto; vao nandre momba an’i Jesoa ravehivavy, dia lasa nankao aminy ka niankohoka teo an-tongony.
Dia niala tao amin’ny faritanin’i Tiro i Jesoa ka nandalo tany Sidôna ary niverina teo amin’ny farihin’i Galilea, rehefa avy namakivaky ny faritany atao hoe Dekapôly.
Miharihary toy izany koa ny asa tsara; ary na izay tsy miharihary avy hatrany aza, dia tsy hay afenina.