Tamin’izay i Jesoa dia niteny mafy ireo tanàna nahavitana ny ankamaroan’ny asa mahagaga nataony, satria tsy niala tamin’ny toetra ratsiny ireo mponina ao aminy; ka hoy i Jesoa:
Ndeha mba ianaro ny hevitr’ilay tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ny hamindranareo fo amin’ny namana no sitrako, hoy Andriamanitra, fa tsy ny hanateranareo sorona.» Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota.
Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ireo mponina tao Ninive ka hanameloka azy; fa niala tamin’ny toe-dratsy ireo mponina tao Ninive nony nandre ny toritenin’i Jônà! Indro anefa misy mihoatra noho i Jônà eto!
ary ny anarany no tsy maintsy hotorîna hatao antso avo amin’ny firenen-drehetra miantomboka eto Jerosalema, mba hanainga ny olona hiala amin’ny toetra ratsiny sy handray famelan-keloka.
Nony nandre izany ireo mpino jiosy, dia nitony ary nanome voninahitra an’Andriamanitra ka nanao hoe: –Marina fa nomen’Andriamanitra ny hafa firenena ihany koa ny hiala amin’ny toe-dratsy mba hahazoany fiainana.
Dia hoy i Petera taminy: –Ialao ny toe-dratsy, ary aoka ianareo samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy mba ho voavela heloka, dia handray ny Fanahy Masina fanomezan’Andriamanitra.
Ny Jiosy ary koa ny hafa firenena dia samy nijoroako ho vavolombelona ka notaomiko hiala tamin’ny toe-dratsy ka hitodika amin’Andriamanitra sady hino an’i Jesoa Tompontsika.
Fa nitoriako aloha ny mponina tao Damasy ary koa ny tao Jerosalema, vao izay manerana ny faritany Jodea sy ny tanin’ny hafa firenena ka nanainga azy rehetra aho hiala amin’ny toetra ratsiny sy hiverina amin’Andriamanitra ary hanao asa mampiharihary fa nialany tokoa ny toetra ratsiny.