Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 5:12 - DIEM PROTESTANTA

Koa nitalaho tamin’i Jesoa ireo fanahy maloto nanao hoe: –Alefaso amin’iretsy kisoa iretsy izahay, hiditra ao aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nifona Taminy ireo fanahy maloto ka niteny hoe: Alefaso izahay ho eny amin’iretsy kisoa iretsy mba hiditra any anatiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa nitalaho tamin’i Jesoa ireo fanahy maloto nanao hoe: –Alefaso amin’iretsy kisoa iretsy izahay, hiditra ao aminy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe: «Alefaso izahay ho any amin’ny kisoa mba hiditra ao aminy»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin’ny kisoa mba hiditra any aminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin'ny kisoa mba hiditra any aminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nifona Taminy ireo fanahy maloto ka niteny hoe: Alefaso izahay ho eny amin’iretsy kisoa iretsy mba hiditra any anatiny.

Jereo ny toko



Marka 5:12
9 Rohy Ifampitohizana  

Fa ahinjiro aminy ange ny tananao ka kasiho ny taolany sy ny nofony e, raha tsy an-kitsirano izao no haniratsirany Anao!


Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.


Ny zava-masina, aza omena ny alika, fandrao hifoteran’ny alika ianareo ka hoviravirainy; ary ny vatosoanareo, aza atsipy amin’ny kisoa, fandrao voahosihosiny.


Ary nisy kisoa maro, andiany iray, nandrasana teny amin’ny kisolosolon’ny havoana.


Neken’i Jesoa ny fangatahany. Koa dia niala tamin-dralehilahy ireo fanahy maloto ka lasa niditra tao amin’ny kisoa. Ary nirifatra ny andian-kisoa, tokony ho kisoa roa arivo, ka nivarimbarina tan-kilahila ho any anaty farihy, dia maty tao.


fandrao ho voafitak’i Satàna isika, satria fantatsika tsara ny hafetseny.


Mahonòna tena, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha manodidina anareo tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.