Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 5:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Ary nisy kisoa maro, andiany iray, nandrasana teny amin’ny kisolosolon’ny havoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary nisy andian-kisoa maro, izay niraoka ahitra teny akaikin’ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ary nisy kisoa maro, andiany iray, nandrasana teny amin’ny kisolosolon’ny havoana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ary teo akaikin’ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny akaikin’ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary nisy kisoa maro andiany izay nandrasana teny akaikin'ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ary nisy andian-kisoa maro, izay niraoka ahitra teny akaikin’ny tendrombohitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 5:11
9 Rohy Ifampitohizana  

Mipetraka any am-pasana izy ireny na misitrika any an-dava-bato amin’ny alina, sady mihinana hena kisoa ary manisy ron-kena maloto ao an-doviany.


Ao ny manao sorona mamono omby, kanefa mamono olona koa; ao ny mamono zanak’ondry, kanefa mamono alika koa; ao ny manao fanatitra lafarinina, kanefa manolotra ran-kisoa koa; ao ny mandoro vovo-javamanitra ho Ahy, kanefa manaja sampy koa. Noho ireo nifidy izany lalana izany sady finaritra amin’ny zava-maharikoriko,


Ny zava-masina, aza omena ny alika, fandrao hifoteran’ny alika ianareo ka hoviravirainy; ary ny vatosoanareo, aza atsipy amin’ny kisoa, fandrao voahosihosiny.


Ary nisy kisoa maro, andiany iray, nitrongy teny lavidavitra teny.


Dia nitalaho mafy tamin’i Jesoa ralehilahy mba tsy horoahiny lavitra an’io tany io ireo fanahy maloto ireo.


Koa nitalaho tamin’i Jesoa ireo fanahy maloto nanao hoe: –Alefaso amin’iretsy kisoa iretsy izahay, hiditra ao aminy.


Ary nisy kisoa maro, andiany iray, nandrasana teo amin’ny kisolosolon’ny havoana. Koa niangavy tamin’i Jesoa ny demony mba havelany hiditra amin’ireo kisoa ireo, ary nekeny ny fangatahany.


ary ny kisoa koa, satria mivaky kitro ihany izy saingy tsy mba mandinika. Koa aza haninareo ny henan’ireo biby ireo ary aza kasihinareo akory ny fatiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra