Tamin’izany taona izany dia namafy tao amin’io tany io i Itsehàka, ka nahazo zato heny satria notahîn’ny TOMPO.
Marka 4:20 - DIEM PROTESTANTA Ao koa ny amafazana an-tany lonaka, dia ireo mahaheno ny teny sy mandray azy ka mamokatra: ny iray telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ireto kosa ireo voafafy teny amin’ny tany lonaka, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: Ny iray dia manome voa telopolo, ny iray dia enimpolo ary ny iray dia zato. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ao koa ny amafazana an-tany lonaka, dia ireo mahaheno ny teny sy mandray azy ka mamokatra: ny iray telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny. Baiboly Katolika Ary ireo mandray ny voa amin’ny tany lonaka no izay sady mihaino ny teny no mandray azy ka mamoa, ny sasany avo telopolo heny, ny sasany enimpolo heny, ary ny sasany zato heny.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ireto no ilay voafafy teny amin’ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. Malagasy Bible Ary ireto no ilay voafafy teny amin'ny tany tsara, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: ny sasany avy telo-polo heny, ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny. La Bible en Malgache Ary ireto kosa ireo voafafy teny amin’ny tany lonaka, dia izay mandre ny teny ka mandray azy dia mamoa: Ny iray dia manome voa telopolo, ny iray dia enimpolo ary ny iray dia zato. |
Tamin’izany taona izany dia namafy tao amin’io tany io i Itsehàka, ka nahazo zato heny satria notahîn’ny TOMPO.
Ary ny voa nafafy tamin’ny tany lonaka dia izay mahaheno ny teny sy mahafantatra azy; ary dia miharihary fa mamoa sy mahavokatra: ao ny zato heny, ao ny enimpolo heny ary ao ny telopolo heny.
Ny voa sasany kosa latsaka tamin’ny tany lonaka dia namoa: tao ny zato heny, tao ny enimpolo heny ary tao ny telopolo heny.
Ny voa sasany kosa latsaka tamin’ny tany lonaka, dia naniry sy nitombo ary namoa: ny iray namokatra telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny.
Ny latsaka tamin’ny tany tsara kosa dia izay mahaheno ny teny amin’ny fo tsara sy lavorary, ka mitana azy, ary mamokatra amin’ny faharetana.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo sady nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo; hany ka na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray noho ny anarako, dia homeny anareo.
Ny sampana rehetra izay tafaray amiko nefa tsy mamokatra dia esorin’ny Raiko; ary ny sampana rehetra izay mamokatra kosa, dioviny mba hamokatra bebe kokoa.
Toy izany koa ianareo, ry havako, tamin’ny alalan’ny tenan’i Kristy dia nanjary maty ianareo raha ny amin’ny lalàna mba hanjary ho an’olon-kafa, dia Ilay natsangana ho velona avy tany amin’ny maty, mba hahavokarantsika asa soa ho an’Andriamanitra.
ary ho heniky ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mba hanomezam-boninahitra sy hiderana an’Andriamanitra.
Izany no hanananareo fitondrantena mendrika ny Tompo, ka hanaovanareo mandrakariva izay ankasitrahiny; dia hahavokatra amin’ny asa soa isan-karazany ianareo sady hitombo fahalalana tsara an’Andriamanitra,
Farany, ry havana, efa nianaranareo taminay ny fitondrantena ankasitrahin’Andriamanitra, ary efa manaraka izany rahateo ianareo. Kanefa dia izao no iangavianay sy ampirisihinay anareo amin’ny anaran’i Jesoa Tompo: manaova tsaratsara kokoa hatrany!
Fa raha ireo toetra ireo no anananareo sy ampitomboinareo, dia hanjary mazoto sady mahavokatra ianareo amin’ny fahalalana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy Tompontsika.