Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 13:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Ny voa sasany kosa latsaka tamin’ny tany lonaka dia namoa: tao ny zato heny, tao ny enimpolo heny ary tao ny telopolo heny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia nanome vokatra: Ny sasany dia zato, ny sasany dia enimpolo ary ny sasany dia telopolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Ny voa sasany kosa latsaka tamin’ny tany lonaka dia namoa: tao ny zato heny, tao ny enimpolo heny ary tao ny telopolo heny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 ary ny sasany latsaka tamin’ny tany tsara, dia namoa: ao ny tonga avo zato heny, ao ny enimpolo, ary ao ny telopolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ny tany tsara, dia nanome vokatra: Ny sasany dia zato, ny sasany dia enimpolo ary ny sasany dia telopolo.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 13:8
11 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany taona izany dia namafy tao amin’io tany io i Itsehàka, ka nahazo zato heny satria notahîn’ny TOMPO.


Ary ny voa nafafy tamin’ny tany lonaka dia izay mahaheno ny teny sy mahafantatra azy; ary dia miharihary fa mamoa sy mahavokatra: ao ny zato heny, ao ny enimpolo heny ary ao ny telopolo heny.


Ny voa sasany indray latsaka tany anaty tsilo; dia nitombo ny tsilo ary voageja ny tsimoka.


Ao koa ny amafazana an-tany lonaka, dia ireo mahaheno ny teny sy mandray azy ka mamokatra: ny iray telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny.


Ny voa sasany kosa latsaka tamin’ny tany lonaka, dia naniry sy nitombo ary namoa: ny iray namokatra telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny.


Ny latsaka tamin’ny tany tsara kosa dia izay mahaheno ny teny amin’ny fo tsara sy lavorary, ka mitana azy, ary mamokatra amin’ny faharetana.


ary ny voa sasany latsaka tamin’ny tany tsara, ka naniry ary namoa zato heny. Avy nilaza izany i Jesoa, dia niantso hoe: –Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!


Ny ahazoan’ny Raiko voninahitra, dia ianareo mamokatra be sady tonga mpianatro.


Satria ny tsara, fantatro fa tsy monina ato anatiko, izany hoe ao amin’ny maha olona mpanota ahy. Mba misy ato amiko ihany ny fikasana hanao ny tsara, fa ny fanatanterahana azy no tsy misy:


ary ho heniky ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mba hanomezam-boninahitra sy hiderana an’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra