Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 4:19 - DIEM PROTESTANTA

19 saingy ny fiahiana ny fiainana etoana sy ny fanodokan’ny harena ary ny fitsiriritana hafa rehetra, samy miditra ao aminy, ka mangeja ny teny tsy ho afa-mamoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 nefa ny fanahiana ny amin’izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana hafa tafiditra ao aminy dia mangeja ny teny ka tsy mamoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 saingy ny fiahiana ny fiainana etoana sy ny fanodokan’ny harena ary ny fitsiriritana hafa rehetra, samy miditra ao aminy, ka mangeja ny teny tsy ho afa-mamoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 fa ny fiahiana izao fiainana izao sy ny fìtaky ny harena mbamin’ny fanirian-javatra hafa, dia miditra mamono ny teny, ka tonga tsy mamoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 fa ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filàna ny zavatra hafa miditra, dia mangeja ny teny, ka tsy mamoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 nefa ny fanahiana ny amin’izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena ary ny filana hafa tafiditra ao aminy dia mangeja ny teny ka tsy mamoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 4:19
28 Rohy Ifampitohizana  

Aza misahirana hangoron-karena ary aza miana-kendry amin’izany.


Tsy ho hitanao akory ny fahalaniany, satria toy ny manana elatra izy ka manidina toa voromahery eny an-danitra.


indro lehilahy iray mitoetra irery tokoa tsisy namana na rahalahy na zanaka ary nisasatra mafy. Naniry hanan-karena betsaka izy ka nanao anakampo hoe: «Ho an’iza no isasarako sy tsy ahatsiarovako fahasambarana?» Zava-poana sy raharaha ratsy koa izany.


Nasainy ny tany, nesoriny ny vato, ary voaloboka voafantina no namboleny tao. Nanao tilikambo teo afovoany izy ary koa nandavaka famiazam-boaloboka; dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy kanjo namoa voalobo-dratsy.


Inona indray moa no mbola tokony hataoko amin’izany voaloboko izany ka tsy efa nataoko taminy? Nanantena azy hamoa voaloboka tsara aho ka nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?


Ny voa nafafy tany anaty tsilo dia izay mahaheno ny teny, kanefa ny fiahiana ny fiainana etoana sy ny fanodokan’ny harena mangeja ny teny tsy ho afa-mamoa.


Tamin’izay i Jesoa dia niteny tamin’ny mpianany hoe: –Lazaiko marina aminareo fa sarotra amin’ny mpanankarena ny hiditra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra.


Indro efa eo am-poto-kazo ny famaky: ka ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ary hatsipy ao anaty afo.


Ao indray ny amafazana anaty tsilo: mahaheno ny teny izy,


Fa novalian’ny Tompo hoe: –Marta, Marta, maro ahina sy be herehina loatra ianao,


–Mitandrema tena ianareo, fandrao tonga mavesatra ny fonareo noho ny filibàna sy ny hamamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao; ka ho avy tampoka tsy ampoizinareo izany andro izany,


Ny sampana rehetra izay tafaray amiko nefa tsy mamokatra dia esorin’ny Raiko; ary ny sampana rehetra izay mamokatra kosa, dioviny mba hamokatra bebe kokoa.


Aza miray lasitra amin’izao tontolo izao; fa meteza hovan’Andriamanitra ka hihavao saina tanteraka, mba hahaizanareo mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra: dia izay tsara sy ankasitrahiny ary lavorary.


Niaina araka ny fomban’izao tontolo izao ianareo; narahinareo ilay mpanapaka ny fahefana mifehy eny amin’ny rivotra, dia ilay fanahy izay miasa ankehitriny ao amin’ireo olona tsy manaiky an’Andriamanitra.


Tsy olombelona nofo aman-dra tsy akory no ifanandrinantsika, fa ireo fanahy ratsy eny ana habakabaka: dia ireo fanapahana, ireo fahefana, ireo hery mifehy ny sehatry ny haizina.


Aza manahy na inona na inona fa ambarao amin’Andriamanitra isaka izay mivavaka ny zavatra ilainareo, ary angataho amin’ny fo feno fankasitrahana.


Anaro ireo mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona ary mba tsy hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy mateza, fa amin’Andriamanitra Izay manome antsika ny zavatra rehetra be dia be hifaliantsika.


Fa i Damasy efa nandao ahy, satria mankamamy an’izao fiainana ankehitriny izao izy ka lasa nankany Tesalônika. I Kresensa dia lasa any Galatia ary i Tito any Dalmatia.


Fa raha ireo toetra ireo no anananareo sy ampitomboinareo, dia hanjary mazoto sady mahavokatra ianareo amin’ny fahalalana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy Tompontsika.


Ireo no mandrava ny firîndran’ny sakafom-pifankatiavana ataonareo, fa miara-mihinana aminareo tsy amin-tahotra sady mpiandry mamahan-tena. Toy ny rahona faohin-drivotra ireo ka tsy mahalatsaka orana; toy ny hazo fararano tsy misy voany sady voaongotra, ka indroa maty;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra