Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 13:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Ary ny voa nafafy tamin’ny tany lonaka dia izay mahaheno ny teny sy mahafantatra azy; ary dia miharihary fa mamoa sy mahavokatra: ao ny zato heny, ao ny enimpolo heny ary ao ny telopolo heny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Fa ilay nafafy teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahazo izay lazaina; dia izy no manome vokatra: Ny sasany dia zato, ny sasany dia enimpolo ary ny sasany dia telopolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Ary ny voa nafafy tamin’ny tany lonaka dia izay mahaheno ny teny sy mahafantatra azy; ary dia miharihary fa mamoa sy mahavokatra: ao ny zato heny, ao ny enimpolo heny ary ao ny telopolo heny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Fa ilay nafafy tamin’ny tany lonaka kosa no izay mandre ny teny ka mahalala azy; dia mamoa, ny sasany avo zato heny, ny sasany enimpolo heny ary ny sasany telopolo heny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Fa ilay nafafy teny amin’ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Fa ilay nafafy teny amin'ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 13:23
43 Rohy Ifampitohizana  

Esory ho afaka aminareo ny asa ratsy rehetra fanaonareo; ka mihavaoza fo amam-panahy ianareo. Ahoana no te ho faty ianareo, ry Israelita?


Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Hoesoriko aminareo ny fo tsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina.


–Ataovy hoe tsara ny voany ka tsara koa ny hazo, na ataovy hoe ratsy ny voany ka ratsy koa ny hazo: satria ny voany no ahafantarana ny hazo.


Ny voa sasany kosa latsaka tamin’ny tany lonaka dia namoa: tao ny zato heny, tao ny enimpolo heny ary tao ny telopolo heny.


Indro efa eo am-poto-kazo ny famaky: ka ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ary hatsipy ao anaty afo.


Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo.


Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza tsy mandray ny Fanjakàn’Andriamanitra toy ny andraisan’ny ankizy madinika azy, dia tsy ho tafiditra ao.


Ao koa ny amafazana an-tany lonaka, dia ireo mahaheno ny teny sy mandray azy ka mamokatra: ny iray telopolo heny, ny iray enimpolo heny, ny iray zato heny.


angamba hamoa ihany izy amin’ny taona ho avy, fa hampikapainao raha tsy izany.»


Ny latsaka tamin’ny tany tsara kosa dia izay mahaheno ny teny amin’ny fo tsara sy lavorary, ka mitana azy, ary mamokatra amin’ny faharetana.


ary ny voa sasany latsaka tamin’ny tany tsara, ka naniry ary namoa zato heny. Avy nilaza izany i Jesoa, dia niantso hoe: –Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!


Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo sady nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo; hany ka na inona na inona angatahinareo amin’ny Ray noho ny anarako, dia homeny anareo.


Izay avy amin’Andriamanitra no mihaino ny tenin’Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy avy amin’Andriamanitra ianareo!


I Lidia no anaran’ny anankiray tamin’ireo vehivavy ireo; avy any an-tanànan’i Tiatira izy, mpivarotra lamba jaky mena sarobidy, ary mpanaja an’Andriamanitra. Nihaino tsara anay ravehivavy io ary nosokafan’ny Tompo ny fony mba ho babon’ny teny nolazain’i Paoly.


Tsara toe-po amam-panahy kokoa ireto Jiosy ireto noho ny tany Tesalônika sady nazoto tokoa nandray ny tenin’Andriamanitra. Nodinihin-dry zareo isan’andro ny Soratra Masina hanamarinany izay lazain’i Paoly.


Andriamanitra, Izay miantoka masomboly ho an’ny mpamafy sy hanin-kohanina, no hiantoka masomboly ho anareo sy hampitombo azy, ka hampamokatra be dia be ny asa fiantrana ataonareo.


ary ho heniky ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, mba hanomezam-boninahitra sy hiderana an’Andriamanitra.


Tsy hoe mitady fanomezana aho no milaza izany, fa mitady ny vokatra hiavosa ao amin’ny kaontin’ny miditra ho anareo.


Izany no hanananareo fitondrantena mendrika ny Tompo, ka hanaovanareo mandrakariva izay ankasitrahiny; dia hahavokatra amin’ny asa soa isan-karazany ianareo sady hitombo fahalalana tsara an’Andriamanitra,


Ny Vaovao Mahafaly dia mitondra vokatra sy mitombo eran’izao tontolo izao koa, tahaka ny teo aminareo hatramin’ny andro nandrenesanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’Andriamanitra araka ny marina.


Farany, ry havana, efa nianaranareo taminay ny fitondrantena ankasitrahin’Andriamanitra, ary efa manaraka izany rahateo ianareo. Kanefa dia izao no iangavianay sy ampirisihinay anareo amin’ny anaran’i Jesoa Tompo: manaova tsaratsara kokoa hatrany!


sady hampiasa haratsiam-panahy amin’ny endrika samihafa hahavoafitaka ireo ho very. Ho very ireo satria tsy nandray ary tsy nandala ny hafatra marim-pototra tokony ho nahavonjy azy;


Efa nitoriana ny Vaovao Mahafaly isika, tahaka an-dry zareo tany an-taniefitra fahiny. Ren’ireo ny hafatra, nefa tsy nahasoa azy, satria tsy mba anisan’izay nihaino izany tamim-pinoana ireo.


Izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka mahavokatra anana tsara ho an’ny olona iasana azy, dia mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra.


Fa izao no Fanekempihavanana hataoko amin’ny vahoaka Israely rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Hataoko ao an-tsainy ny lalànako, ary hosoratako ao am-pony; dia ho Andriamanitr’ireo Aho, ary izy ho vahoakako!


Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an’ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin’izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra