Marka 4:12 - DIEM PROTESTANTA hany ka «hijery dia hijery izy fa tsy hahita ary hihaino dia hihaino fa tsy hahafantatra, afa-tsy raha miverina amin’Andriamanitra izy ka ho voavela heloka.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 mba «hijery mandrakariva ihany izy nefa tsy hahita ary handre mandrakariva ihany izy nefa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony» (Isa 6.9, 10). Dikateny Iombonana Eto Madagasikara hany ka «hijery dia hijery izy fa tsy hahita ary hihaino dia hihaino fa tsy hahafantatra, afa-tsy raha miverina amin’Andriamanitra izy ka ho voavela heloka.» Baiboly Katolika mba hahita maso izy fa tsy hahalala, ary handre sofina fa tsy hahafantatra, fandrao mibebaka izy ka havela ny helony.» Baiboly Protestanta Malagasy ,,mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony’’ (Isa. 6. 9, 10). Malagasy Bible mba hijery mandrakariva ihany izy, fa tsy hahita; ary mba handre mandrakariva ihany izy, fa tsy hahafantatra; fandrao hibebaka izy, ka havela ny helony (Isa. 6. 9, 10). La Bible en Malgache mba «hijery mandrakariva ihany izy nefa tsy hahita ary handre mandrakariva ihany izy nefa tsy hahafantatra, fandrao hibebaka izy ka havela ny helony» (Isa 6.9, 10). |
Tsy mahalala na inona na inona sady tsy misaina ireny olona ireny, voatampina ny masony ka tsy mahita sady donto rahateo koa ny fony.
Angamba hahatakatra ny fikasàko handefa loza aminy ny olon’i Joda, ka samy hiala amin’ny fitondrantena ratsiny, dia havelako ny heloka amam-pahotany.»
Henoy àry izao, ry vahoaka dondrona sy tsy misaina, mana-maso fa tsy mahita, manan-tsofina fa tsy mandre.
«Ry ilay taranak’olombelona, monina eo anivon’ny olona tena maditra ianao! Mana-maso hahitana izy fa tsy te hahita, manan-tsofina hihainoana fa tsy te hihaino, satria olona tena maditra.
Mana-maso ianareo ka no tsy mahita, ary manan-tsofina ka no tsy mandre? Tsy tsaroanareo angaha?
ka namaly hoe: –Ianareo no natao hahalala ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn’Andriamanitra; fa ho an’ny hafa kosa dia ankamantatra saro-pantarina no itenenana izany, hany ka «hijery izy fa tsy hahita ary hihaino fa tsy hahafantatra.»
Noho izany, ialao ny toe-dratsy, ary miverena amin’Andriamanitra mba ho foana ny helokareo;
Efapolo taona no nitondrako anareo tany an-taniefitra; tsy nihatonta na ny fitafiana teny an-koditrareo na ny kapa teny an-tongotrareo.
ho mora fo raha mananatra ny mpanohitra azy: hataon’Andriamanitra miala amin’ny toe-dratsy angamba ireny mpanohitra ireny mba hahalala ny fampianarana marim-pototra;
kanefa dia niverina tamin’ny toe-dratsy. Tsy azo havaozina indray ireo mba hiala amin’ny toetra ratsiny, satria manombo ilay Zanak’Andriamanitra amin’ny hazofijaliana indray sady manolotra Azy halàm-baràka.