Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 5:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Henoy àry izao, ry vahoaka dondrona sy tsy misaina, mana-maso fa tsy mahita, manan-tsofina fa tsy mandre.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso nefa tsy mahita, ary manan-tsofina nefa tsy mandre:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Henoy àry izao, ry vahoaka dondrona sy tsy misaina, mana-maso fa tsy mahita, manan-tsofina fa tsy mandre.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Henoinareo àry izao, ry firenena adala sy tsy misy fo, mana-maso izy fa tsy mahita; manan-tsofina fa tsy mandre!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, Izay mana-maso, fa tsy mahita, Ary manan-tsofina, fa tsy mandre:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso, fa tsy mahita, ary manan-tsofina, fa tsy mandre:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso nefa tsy mahita, ary manan-tsofina nefa tsy mandre:

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 5:21
26 Rohy Ifampitohizana  

Ry olona ketrina indrindra, mitandrema! Ry adala, rahoviana vao handinika ianareo?


Hatao inona ny vola eo an-tanan’ny adala? Hamidy fahendrena ve? Tsy manan-tsaina hanao izany izy.


Rehefa maina ny rantsan-kazo, dia hotapahina; ary ho avy ny vehivavy ka handoro azy. Tsy manam-pahalalana tokoa ity firenena ity ka tsy hiantran’ilay Mpahary azy, sady tsy hangorahan’ilay Mpamorona azy.


Avoahy ny olona mana-maso nefa jamba, ary manan-tsofina nefa marenina.


Tsy mahalala na inona na inona sady tsy misaina ireny olona ireny, voatampina ny masony ka tsy mahita sady donto rahateo koa ny fony.


Fa adala sy very saina izy rehetra: zava-poana ny fampianarany fa tapa-kazo ihany izany.


«Adala tokoa ny vahoakako fa tsy mahalala Ahy», hoy ny Tompo. Ankizy tsy misaina ireo, tsy mahatakatra na inona na inona, tsy kinga afa-tsy amin’ny fanaovan-dratsy fa raha izay hanao ny tsara tsy hainy.


Ampitao amin’ny taranak’i Jakôba izao hafatra izao ka, ampandreneso ny vahoakan’i Joda, hoy ny teny hentitry ny TOMPO:


Dia hoy aho anakampo hoe: «Momba ireo olona mahantra ihany izany; tsy misaina loatra izy ireny ka tsy mahalala ny sori-dalan’ny TOMPO na izay fitsipik’ilay Andriamaniny.


Iza no hitenenako, ary iza no hampandrenesina hihaino ahy? Indro tsentsina ny sofiny, ka tsy afaka handre tsara izy. Manala-baràka azy ny teninao, ry TOMPO, ka tsy ankamamîny.


Ankehitriny dia manao ireny zava-dratsy rehetra fanaony ireny koa ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Efa nambarako sy naverimberiko taminareo izany nefa tsy nohenoinareo; efa nantsoiko ianareo nefa tsy namaly.


Na dia ny vano aza dia mahalala ny fotoanandro fifindrany lasy; ary ny domohina sy ny sidintsidina mbamin’ny tsikorovana koa samy mitandrina ny fotoana fiverenany, fa ny vahoakako kosa tsy mahalala ny fitsipiko.


«Ry ilay taranak’olombelona, monina eo anivon’ny olona tena maditra ianao! Mana-maso hahitana izy fa tsy te hahita, manan-tsofina hihainoana fa tsy te hihaino, satria olona tena maditra.


I Efraîma dia tahaka ny domohina izay adaladala sady tsy manan-tsaina; miantso an’i Ejipta izy, ary mankany Asiria.


Kanefa tsy nety nihaino izany ny olona; fa nanainga soroka ho fandavana izy sady nanentsin-tadiny mba tsy handre.


hany ka «hijery dia hijery izy fa tsy hahita ary hihaino dia hihaino fa tsy hahafantatra, afa-tsy raha miverina amin’Andriamanitra izy ka ho voavela heloka.»


Mana-maso ianareo ka no tsy mahita, ary manan-tsofina ka no tsy mandre? Tsy tsaroanareo angaha?


«Andriamanitra efa nanajamba ny mason’ireo sy nanamafy ny fony; hany ka ny masony tsy hahita, ny fony tsy hahafantatra, ary tsy hiverina amiko ireo mba hositraniko, hoy Andriamanitra.»


hoe: «Mandehana ka izao lazaina amin’ity vahoaka ity: Hihaino dia hihaino ianareo fa tsy hahafantatra ary hijery dia hijery fa tsy hahita,


Eny, tsy hita maso Andriamanitra. Nefa hatramin’ny nahariany an’izao rehetra izao, dia eo ny asany mampahafantatra Azy, mampibaribary fa mahery hatrizay hatrizay Izy ary Andriamanitra tokoa. Hany ka tsy afa-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra ny olona.


araka izay voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Nomen’Andriamanitra fanahy mahadonto izy ireo ka ny masony tsy mahita ary ny sofiny tsy mandre mandraka androany.»


Nefa tsy nomen’ny TOMPO fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany.


Efapolo taona no nitondrako anareo tany an-taniefitra; tsy nihatonta na ny fitafiana teny an-koditrareo na ny kapa teny an-tongotrareo.


Moa izany no tokony ho navalinareo ny TOMPO, ry vahoaka adala, tsy misy fahendrena? Moa tsy Izy no Rainareo, ka fananany ianareo? Tsy Izy ve no nanao sy nampiorina anareo?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra