Fa lasa nivoaka ny sinagôga kosa ny Farisianina ary niara-nioko ny amin’izay hamonoana an’i Jesoa.
Marka 3:6 - DIEM PROTESTANTA Fa lasa nivoaka ny sinagôga avy hatrany kosa ny Farisianina, ary niara-nioko tamin’ny Herôdianina ny amin’izay hamonoana an’i Jesoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niala tao amin’ny sinagoga ny Fariseo ka avy hatrany dia nikaon-doha niaraka tamin’ny Herodiana hanohitra an’i Jesosy mba hahafaty Azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa lasa nivoaka ny sinagôga avy hatrany kosa ny Farisianina, ary niara-nioko tamin’ny Herôdianina ny amin’izay hamonoana an’i Jesoa. Baiboly Katolika Ary lasa nivoaka ny Farisianina, ka niaraka tamin’izay dia niara-nihevitra tamin’ny Herôdianina hanao izay hahavoazana Azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin’izay dia niray tetika tamin’ny Herodiana izy hanohitra an’i Jesosy mba hahafaty Azy. Malagasy Bible Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin'izay dia niray tetika tamin'ny Herodiana izy hanohitra an'i Jesosy mba hahafaty Azy. La Bible en Malgache Ary niala tao amin’ny sinagoga ny Fariseo* ka avy hatrany dia nikaon-doha niaraka tamin’ny Herodiana hanohitra an’i Jesosy mba hahafaty Azy. |
Fa lasa nivoaka ny sinagôga kosa ny Farisianina ary niara-nioko ny amin’izay hamonoana an’i Jesoa.
Ary naniraka ny mpianany mbamin’ny Herôdianina ry zareo ho any amin’i Jesoa, ka hoy ireto iraka hoe: –Mpampianatra ô, fantatray fa olo-marina Ianao ary mampianatra tsotra ny lalana soritan’Andriamanitra; sady tsy mampaninona Anao izay mety ho hevitry ny hafa, satria tsy mizaha tavan’olona Ianao.
Nisy iraka sasantsasany avy amin’ny Farisianina sy ny Herôdianina nankeo amin’i Jesoa hamandrika Azy amin’ny fanontaniana;
Dia namepetra azy ireo i Jesoa nanao hoe: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran’ny Farisianina sy ny levioran’i Herôda.
Ary nitady izay fomba hamonoana an’i Jesoa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna, nefa tsy nahita satria natahotra ny vahoaka ry zareo.
Fa romotry ny hatezerana kosa ireo mpahay lalàna sy Farisianina ka niara-nioko ny amin’izay hanaovany an’i Jesoa.
ary tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina no nampitenenanao an’i Davida razanay sady mpanomponao hoe: «Nahoana no mihotakotaka ny firenena? Nahoana no mioko foana ny vahoaka?