Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 22:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Ary naniraka ny mpianany mbamin’ny Herôdianina ry zareo ho any amin’i Jesoa, ka hoy ireto iraka hoe: –Mpampianatra ô, fantatray fa olo-marina Ianao ary mampianatra tsotra ny lalana soritan’Andriamanitra; sady tsy mampaninona Anao izay mety ho hevitry ny hafa, satria tsy mizaha tavan’olona Ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Koa naniraka ny mpianany mbamin’ny Herodiana hankeo aminy izy ireo ka niteny hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Ianao ka mampianatra marina ny lalànan’Andriamanitra ary tsy miahiahy olona satria tsy mba mizaha tavan’olona Ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ary naniraka ny mpianany mbamin’ny Herôdianina ry zareo ho any amin’i Jesoa, ka hoy ireto iraka hoe: –Mpampianatra ô, fantatray fa olo-marina Ianao ary mampianatra tsotra ny lalana soritan’Andriamanitra; sady tsy mampaninona Anao izay mety ho hevitry ny hafa, satria tsy mizaha tavan’olona Ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Dia naniraka ny mpianany niaraka tamin’ny Herôdianina ho any aminy izy ireo nanao hoe: «Ry Mpampianatra ô, fantatray fa marina ianao, ary mampianatra ny lalan’Andriamanitra araka ny marina, ka tsy mampaninona anao ny olona; satria tsy mizaha tavan’olona ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Dia naniraka ny mpianany mbamin’ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny làlan’Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Dia naniraka ny mpianany mbamin'ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lalan'Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan'olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 22:16
36 Rohy Ifampitohizana  

Fa hoy i Mikaià hoe: –Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain’ny TOMPO amiko ihany no hambarako.


Mba vonjeo re, TOMPO ô, fa miharingana ny mpivavaka marina; ary dia tsy misy intsony ny olona azo itokiana.


TOMPO ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho noho ny afitsok’ireo olona mitsikilo ahy; ataovy mahitsy eo anatrehako ny lalana asainao alehako.


Ny olona nihavanany, aninjirany tanana; ny fifanekena nataony, ivadihany.


Izay olona mandodoka ny namany dia mamela-pandrika ho an’ny tenany.


Marina ny fampianarana nomeny ary tsy nisy fitaka teo amin’ny molony. Tamim-pahatoniana sy tamim-pahitsiana no niarahany tamiko ka nandreseny lahatra olona marobe hiala amin’ny faharatsiana.


Koa dia hampirisihiko ny vahoakan’i Israely rehetra haniratsira sy hanao tsinontsinona anareo, satria tsy nitandrina ny sori-dalako ianareo sady nizaha tavan’olona tamin’izay fanapahan-kevitrareo».


hoe: –Mpampianatra ô, izao no voalazan’i Mosesy: «Raha misy lehilahy maty tsy nanan-taranaka, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vady navelany, mba hiteraka hamela solofo ho an’ny maty.»


Toraka izany koa ity faharoa sy ny fahatelo ary dia hatramin’izy fito mirahalahy.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Mandehana mankany an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: «Izao no tenin’ny Mpampianatra: Efa tonga ny fotoanandroko; ka ato aminao no hanaovako ny sakafo Paska miaraka amin’ny mpianatro.»


Ary nanatona an’i Jesoa avy hatrany i Jodasy, ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, ho ao aminao anie ny fiadanana! Dia nanoroka Azy i Jodasy.


Ary nony niainga handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy nanatona Azy, ka nandohalika teo anoloany ary nanontany Azy hoe: –Ry Mpampianatra tapitra ohatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay?


Nisy iraka sasantsasany avy amin’ny Farisianina sy ny Herôdianina nankeo amin’i Jesoa hamandrika Azy amin’ny fanontaniana;


ka nony tonga teo ry zareo, dia nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina Ianao sady tsy mampaninona anao izay mety ho hevitry ny hafa, ary tsy mizaha tavan’olona Ianao fa mampianatra tsotra ny lalana soritan’Andriamanitra. Koa azonay atao ve ny mandoa hetra ho an’ny amperôra rômanina sa tsia? Tokony handoa izahay sa tsy handoa?


Fa lasa nivoaka ny sinagôga avy hatrany kosa ny Farisianina, ary niara-nioko tamin’ny Herôdianina ny amin’izay hamonoana an’i Jesoa.


Dia namepetra azy ireo i Jesoa nanao hoe: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran’ny Farisianina sy ny levioran’i Herôda.


Dia nanontanian’ireo iraka i Jesoa nataony hoe: –Mpampianatra ô, fantatray fa mahitsy fiteny sy fampianatra Ianao sady tsy mizaha tavan’olona fa mampianatra tsotra ny lalana soritan’Andriamanitra.


Ary i Jesoa niteny taminy hoe: –Simôna ô, misy zavatra tiako holazaina aminao! Dia hoy i Simôna hoe: –Lazao àry hoe, ry Mpampianatra!


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izaho no lalana sy fahamarinana ary aina; tsy misy olona mankany amin’ny Ray raha tsy amin’ny alalako.


Ary hoy i Pilato taminy: –Koa Mpanjaka izany Ianao? I Jesoa kosa namaly hoe: –Voalazanao fa Mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako ary izao no niaviako eto amin’izao tontolo izao: dia ny ho vavolombelona hanambara ny marina. Izay rehetra mpiandany amin’ny marina dia mihaino ny feoko.


Izay miteny zavatra avy amin’ny tenany fotsiny dia mitady ny voninahitra ho an’ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’ilay naniraka azy no azo antoka sady tsy misy fitaka ao aminy.


Izahay dia tsy toy ny sasany manao ny tenin’Andriamanitra ho filàm-bola, fa miteny toy ny olona irahin’Andriamanitra sady mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra, araka ny maha mpanompon’i Kristy anay.


Efa nolavinay ny asa miafina mahamenatra, ka tsy manao zavatra amin-kafetsena izahay sady tsy manatsatso ny tenin’Andriamanitra; fa asehonay mazava tsara ny marina, ka eo imason’Andriamanitra dia tonga mendrika hitokian’ny fieritreretan’ny olona rehetra izahay.


Ka hatramin’ny naha kristianina anay, dia tsy mihevitra na iza na iza araka ny fisainan’olombelona intsony izahay. Na dia nihevitra an’i Kristy araka ny fisainan’olombelona aza izahay fahiny, dia tsy manao toy izany intsony ankehitriny.


Olombelona ve ankehitriny no ilàko sitraka? Tsia, fa Andriamanitra no ilàko sitraka! Sa ny ho mamy hoditra amin’ny olombelona no tadiaviko? Raha mbola ny ho mamy hoditra amin’ny olombelona no tadiaviko, dia tsy mpanompon’i Kristy aho.


Ireo noheverina ho tena tompon’andraikitra kosa, – na ahoana na ahoana fahefàny, dia tsy mampaninona ahy izany, satria Andriamanitra tsy mba mizaha tavan’olona! –, ireo tompon’andraikitra dia tsy nandidy ahy hampihatra fepetra hafa na inona na inona.


Noho Ianao, dia tsy mba niraiki-po tamin’ny ray aman-dreniny ireo, na nifikitra tamin’ny mpiray tampo na fatra-pitia zanaka, fa nitandrina ny teninao sy nitana ny fanekempihavananao.


fa Andriamanitra no efa nizaha toetra anay ka nanankina taminay ny Vaovao Mahafaly, ary dia araka izany no itenenanay: tsy mila sitraka amin’olombelona izahay, fa amin’Andriamanitra Izay mizaha toetra ny fonay.


Fa ny fahendrena avy any ambony dia voalohany indrindra madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora ifampiraharahana, be famindrampo sady mahavokatra asa soa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an’ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin’izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra