Marka 15:3 - DIEM PROTESTANTA Ary nisy zavatra maro niampangan’ireo lohandoha-mpisorona Azy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ireo lehiben’ny mpisorona dia niampanga Azy tamin-javatra maro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nisy zavatra maro niampangan’ireo lohandoha-mpisorona Azy; Baiboly Katolika Ary maro ny zavatra niampangan’ny lohandohan’ny mpisorona Azy, Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny lohan’ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro. Malagasy Bible Ary ny lohan'ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro. La Bible en Malgache Ary ireo lehiben’ny mpisorona dia niampanga Azy tamin-javatra maro. |
Nampahorîna ny Mpanompon’ny Tompo, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava akory, tahaka ny zanakondry entina hovonoina sy tahaka ny ondrivavy eo anatrehan’ny manety azy. Eny, tsy niloa-bava akory izy.
Fa raha niampanga Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona, dia tsy novalian’i Jesoa akory.
Dia nanontany an’i Jesoa i Pilato hoe: –Ianao ve no Mpanjakan’ny Jiosy? Fa novalian’i Jesoa hoe: –Anao izany teny izany!
ka nanontany Azy indray i Pilato nanao hoe: –Tsy mamaly akory ve Ianao? He ireto zavatra maro iampangany Anao!
Noho izany, dia nitady handefa Azy i Pilato, saingy nantsoantsoin’ny Jiosy hoe: –Raha alefanao ilay io, dia tsy mba sakaizan’ny amperôra rômanina ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka, dia manohitra ny amperôra rômanina.