ireo mpanjakan’ny tany miomana hiady; ireo andriana miara-mioko hanohitra ny TOMPO sy ilay Mesiany.
Marka 15:1 - DIEM PROTESTANTA Raha vao maraina ny andro, dia nivory hanapa-kevitra ny lohandoha-mpisorona niaraka tamin’ny loholona sy ny mpahay lalàna, izany hoe ny Fitsarana ambony manontolo; dia nampamatotra an’i Jesoa ry zareo sy nitondra Azy ary nanolotra Azy an’i Pilato. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha vao maraina ny andro, ireo lehiben’ny mpisorona sy ny loholona ary mpanoradalàna mbamin’ny Sinedriona manontolo, dia nivory niara-nihevitra, koa rehefa avy namatotra an’i Jesosy izy dia nitondra Azy ka nanolotra Azy tamin’i Pilato. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha vao maraina ny andro, dia nivory hanapa-kevitra ny lohandoha-mpisorona niaraka tamin’ny loholona sy ny mpahay lalàna, izany hoe ny Fitsarana ambony manontolo; dia nampamatotra an’i Jesoa ry zareo sy nitondra Azy ary nanolotra Azy an’i Pilato. Baiboly Katolika Raha vao maraina ny andro, ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra, ka namatotra an’i Jesoa, dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty. Baiboly Protestanta Malagasy ARY niaraka tamin’izay raha vao maraina ny andro, ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an’i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin’i Pilato. Malagasy Bible Ary niaraka tamin'izay raha vao maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin'ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an'i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin'i Pilato. La Bible en Malgache Ary raha vao maraina ny andro, ireo lehiben’ny mpisorona sy ny loholona ary mpanoradalàna* mbamin’ny Sinedriona* manontolo, dia nivory niara-nihevitra, koa rehefa avy namatotra an’i Jesosy izy dia nitondra Azy ka nanolotra Azy tamin’i Pilato. |
ireo mpanjakan’ny tany miomana hiady; ireo andriana miara-mioko hanohitra ny TOMPO sy ilay Mesiany.
Izaho koa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin’ny namana iray finoana dia mendrika hatolotra ny fitsarana isan-tanàna; izay hanao ny namana iray finoana hoe: misy kely, dia mendrika hatolotra ny Fitsarana ambony; izay hanao azy hoe: foka, dia mendrika havarina any amin’ny lohasahan’afo.
Nony maraina ny andro, dia nivory ny loholom-bahoaka sy ny lohandoha-mpisorona mbamin’ny mpahay lalàna; ary nasain-dry zareo nentina i Jesoa hiatrika ny Fitsarana ambony teo anoloany.
Ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa ilay Mpanompony. Natolotrareo tamin’ny manampahefana i Jesoa ary nolavinareo teo anatrehan’i Pilato, izay efa tapa-kevitra handefa Azy;