Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Marka 14:72 - DIEM PROTESTANTA

72 Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany; ka tsaroan’i Petera ilay tenin’i Jesoa fony Izy nilaza taminy hoe: «Raha mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Dia nigogogogo nitomany i Petera.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

72 Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary tsaroan’i Petera ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy hoe: Raha mbola tsy misy akoho maneno fanindroany dia handa Ahy intelo ianao. Dia niala teo izy sady nigogogogo nitomany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

72 Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany; ka tsaroan’i Petera ilay tenin’i Jesoa fony Izy nilaza taminy hoe: «Raha mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Dia nigogogogo nitomany i Petera.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

72 Niaraka tamin’izay dia naneno fanindroany ny akoho. Ary tsaroan’i Piera ilay teny nolazain’i Jesoa taminy hoe: «Tsy mbola haneno fanindroany akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao»; ka dia nitomany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

72 Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain’i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handa Ahy intelo hianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

72 Ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain'i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:72
15 Rohy Ifampitohizana  

Nahatsiaro ny tenany ho meloka i Davida taorian’ilay fanisam-bahoaka; ka hoy izy tamin’ny TOMPO: –Fahotana lehibe no vitako tamin’izao nataoko izao. Koa ankehitriny mifona aminao aho, TOMPO ô, mba avelao ny heloko fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.


Amin’izay dia hahatsiaro ny lasa ianao ka ho menatra tsy hahateny, fa Izaho kosa hamela anao amin’izay ratsy rehetra nataonao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Dia hotsaroanareo ny fitondrantena ratsy sy ny asa tsy mendrika nataonareo, ka hankaloiloy anareo ny helokareo sy ny zavatra maharikoriko vitanareo.


Handositra any an-tendrombohitra izay sisa velona; ka samy hitoloko toy ny voromahailala an-dohasaha izy rehetra noho ny heloka nataony.


Fa hoy i Jesoa tamin’i Petera: –Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.


Ary hoy i Jesoa taminy: –Lazaiko marina aminao fa anio dia anio ihany, raha mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.


Fa nandà i Petera ka nanao hoe: –Tsy fantatro sady tsy azoko izay lazainao. Dia nivoaka ny tokotany izy, ary nisy akoho naneno.


Fa niozona sy nianiana i Petera ka nanao hoe: –Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.


Fa hoy i Petera: –Tsy fantatro izay lazainao, andriamatoa! Niaraka tamin’izay, raha mbola niteny i Petera, dia nisy akoho naneno.


Dia lasa nankany ivelany i Petera ka nitomany fatratra.


Satria ny alahelo araka an’Andriamanitra dia mahatonga hiala amin’ny toe-dratsy, mba hiroso amin’ny famonjena tsy anenenana; fa ny alahelon’izao tontolo izao kosa dia mahatonga fahafatesana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra