Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 14:7 - DIEM PROTESTANTA

Ny mahantra moa misy eto aminareo mandrakariva, ka azonareo asiana soa amin’izay fotoana tianareo; fa Izaho kosa tsy mba eto aminareo mandrakariva.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa ny mahantra dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy dia mahazo manao izany ianareo; fa Izaho kosa dia tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny mahantra moa misy eto aminareo mandrakariva, ka azonareo asiana soa amin’izay fotoana tianareo; fa Izaho kosa tsy mba eto aminareo mandrakariva.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

fa ny mahantra dia hisy eto aminareo mandrakariva, ka azonareo asian-tsoa araka izay tianareo, fa Izaho kosa tsy ho eto aminareo mandrakariva;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao hianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa ny mahantra dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy dia mahazo manao izany ianareo; fa Izaho kosa dia tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.

Jereo ny toko



Marka 14:7
14 Rohy Ifampitohizana  

Ny mahantra dia misy eto aminareo mandrakariva; fa Izaho kosa tsy mba eto aminareo mandrakariva.


Fa hoy i Jesoa: –Avelao izy! Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo azy? Asa soa iny nataony tamiko iny.


Vetivety foana sisa hitoerako eto aminareo, rey anaka; hitady Ahy ianareo ary toy ny voalazako tamin’ny Jiosy hoe: «Izay alehako tsy azonareo aleha», no lazaiko aminareo koa ankehitriny.


Nivoaka avy any amin’ny Ray Aho no tonga eto amin’izao tontolo izao; ary hiala eto amin’izao tontolo izao indray Aho, ka hankany amin’ny Ray.


ankehitriny kosa, mankany amin’Ilay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy intsony aminareo manontany Ahy hoe: «Hankaiza Ianao?»


Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho; ireo no ho eto amin’izao tontolo izao, fa Izaho kosa mankany aminao. Ray ô, masina Ianao, ka ilay anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no itahirizo azy ireo, mba ho iray izy tahaka ny maha iray antsika.


Kanefa tsy maintsy horaisin’ny lanitra aloha Izy mandra-piavin’ny fotoana hanavaozana izao rehetra izao, araka izay nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany masina hatramin’ny fahagola.


Koa satria hisy mandrakariva ny mahantra eo amin’ny taninareo, dia izany no andidiako anareo hoe: Sokafy tsara amin’ny mpiray firenena aminareo ny tananareo, dia amin’ny ory sy mahantra eo amin’ny taninareo.


Ry rahalahy, nampifaly ahy fatratra sady nampahery ahy ny fitiavanao satria efa novelombelominao ny fon’ny vahoakan’Andriamanitra.