Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Fa hoy i Jesoa: –Avelao izy! Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo azy? Asa soa iny nataony tamiko iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy. Nahoana ianareo no manao izay mampalahelo azy? Asa soa no nataony Tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Fa hoy i Jesoa: –Avelao izy! Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo azy? Asa soa iny nataony tamiko iny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Fa hoy i Jesoa taminy: «Avelao izy; nahoana ianareo no manao ny mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana hianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy. Nahoana ianareo no manao izay mampalahelo azy? Asa soa no nataony Tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:6
23 Rohy Ifampitohizana  

Ny fiadiana isan-karazany tefena hamelezana anao dia tsy hahomby mihitsy; ary ny olona rehetra izay miampanga anao eo anoloan’ny fitsarana dia horesenao lahatra. Izany no ho anjaran’ireo mpanompoko, ary izany no rariny hananany avy amiko.»


Tsikaritr’i Jesoa izany ka hoy Izy tamin’ny mpianany: –Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo an-dravehivavy? Eny, asa soa iny nataony tamiko iny.


Azo namidy denàry telonjato mahery iny ka omena ny mahantra ny vidiny! Dia nolevileven-dry zareo ravehivavy.


Ny mahantra moa misy eto aminareo mandrakariva, ka azonareo asiana soa amin’izay fotoana tianareo; fa Izaho kosa tsy mba eto aminareo mandrakariva.


Tany Jôpa dia nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabità (na «Dôrkasy» amin’ny teny grika izany hoe gazela). Be tokoa ny asa soa amam-piantrana vitany.


satria tsy izay midera tena no olona voazaha toetra, fa izay derain’ny Tompo.


Ary hain’Andriamanitra omena mitafotafo anareo ny soa isan-karazany, ka hanana ny ampy mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ianareo, sady hanana mitafotafo hoentinareo manao asa soa isan-karazany,


Fa asan’Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin’i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman’Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin’ny fiainantsika.


Izany no hanananareo fitondrantena mendrika ny Tompo, ka hanaovanareo mandrakariva izay ankasitrahiny; dia hahavokatra amin’ny asa soa isan-karazany ianareo sady hitombo fahalalana tsara an’Andriamanitra,


hampionona ny fonareo ary hampahery anareo hanao izay tsara rehetra na amin’ny asa na amin’ny teny.


ary tsara laza amin’ny asa soa vitany; vehivavy nitaiza tsara ny zanany, nampiantrano vahiny, nanasa ny tongotr’ireo namana kristianina, nanampy ny nozoim-pahoriana, nazoto tamin’ny asa soa isan-karazany.


Anaro ireo mpanankarena mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ny asa tsara, mba halala-tanana ary mba ho vonona hifampizara amin’ny hafa;


Izay olona miezaka hadio fo ka miala amin’ireo haratsiana ireo dia ho tahaka ny fanaka mihaja, satria voatokana ho an’ny Tompo izy sady misy ampiasany azy ary voavoatra hanao asa soa isan-karazany.


mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tsara ofana sy ary fitaovana hanao asa soa isan-karazany.


I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.


Amin’ny zavatra rehetra dia aoka ny tenanao ho ohatra amin’ny asa tsara; aoka ny fampianaranao ho madio sy maotina:


Aoka ny olontsika hiezaka hanao asa tsara koa mba ho afa-manampy rehefa misy mahatery, fandrao tsy hisy vokany ny fiainany.


Teny azo antoka izany! Tiako hoantitranterinao ireo zavatra ireo mba himasoan’ny mpino an’Andriamanitra hiezaka manao asa tsara; izany no tsara sady mahasoa ny olona.


Aoka isika samy hifampihevitra ka hifampirisika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara.


Andriamanitra loharanon’ny fiadanana anie hahatonga anareo ho vonon-kanao ny asa soa rehetra mba hanatanterahanareo ny sitrapony; ka hataony ao anatintsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy anie izay sitrany. Ho an’i Jesoa Kristy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.


Manàna fitondrantena tsara eo anivon’ny mpanompo sampy; fa na dia endrikendrehiny ho mpanao ratsy aza ianareo, dia ho hitany tokoa ny asa tsara ataonareo, ka hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro hiavian’i Kristy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra