Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Nanao izay azony natao izy nanosotra ilomanitra ny tenako dieny mialoha mba hamboarany Ahy halevina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Efa nanao izay azony natao izy: Nanosotra mialoha ny tenako izy hanamboarany Ahy halevina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Nanao izay azony natao izy nanosotra ilomanitra ny tenako dieny mialoha mba hamboarany Ahy halevina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 nanao izay azony natao izy; nohosorany rahateo ny Tenako ho fandevenana Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Efa nanao izay azony natao izy: Nanosotra mialoha ny tenako izy hanamboarany Ahy halevina.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:8
14 Rohy Ifampitohizana  

Miaramila voafantina no miaraka aminao amin’ny andro amorianao ny tafikao. Eny amin’ny tendrombohitra masina no hanatona Anao ireo zatovolahinao toy ny ando napoitran’ny mazavatsinanana.


Naidin’ity vehivavy ity tamin’ny tenako iny ilomanitra iny, ary mba hamboarany Ahy halevina no nanaovany an’izany dieny mialoha.


Efa hariva ny andro no tonga i Jôsefa avy any amin’ny tanàna atao hoe Harimatia. Lehilahy manan-kaja tao amin’ny Fitsarana ambony izy sady fatra-piandry ny Fanjakàn’Andriamanitra. Andro fiomanana tamin’io, izany hoe andro mialoha ny sabata; koa lasa i Jôsefa niditra tamim-pahasahiana tao an-tranon’i Pilato ary nangataka ny vatan’i Jesoa.


Dia nampidinin’i Jôsefa avy teo amin’ny hazofijaliana ny vatan’i Jesoa, nofonosiny lamba sarobidy, ary napetrany tao amin’ny fasana nolavahana tamin’ny vatolampy, mbola tsy nandevenana olona.


Fa hoy i Jesoa: –Aoka re izy, ry Jodasy, fa ho fitsinjovana ny andro hamboarana Ahy halevina no anatontosany izany!


Fa raha misy ny risi-po hanome, dia ny manome araka izay ananana ihany no ankasitrahin’Andriamanitra, fa tsy hoe ny manome araka izay tsy ananana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra