Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 14:53 - DIEM PROTESTANTA

Nentina tao an-tranon’ny mpisorombe i Jesoa. Tonga tao avokoa ireo lohandoha-mpisorona sy loholona ary mpahay lalàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nitondra an’i Jesosy ho any amin’ny Mpisoronabe izy ireo; ary nivory ireo lehiben’ny mpisorona rehetra sy ireo loholona ary ireo mpanoradalàna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nentina tao an-tranon’ny mpisorombe i Jesoa. Tonga tao avokoa ireo lohandoha-mpisorona sy loholona ary mpahay lalàna.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary i Jesoa nentin’izy ireo ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona izay nivorian’ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY nitondra an’i Jesosy ho any amin’ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nitondra an'i Jesosy ho any amin'ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nitondra an’i Jesosy ho any amin’ny Mpisoronabe izy ireo; ary nivory ireo lehiben’ny mpisorona rehetra sy ireo loholona ary ireo mpanoradalàna*.

Jereo ny toko



Marka 14:53
9 Rohy Ifampitohizana  

Nampahorîna ny Mpanompon’ny Tompo, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava akory, tahaka ny zanakondry entina hovonoina sy tahaka ny ondrivavy eo anatrehan’ny manety azy. Eny, tsy niloa-bava akory izy.


Tamin’izay ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon’ny vahoaka jiosy dia nivory tao amin’ny lapan’ny mpisorombe atao hoe Kaiafa.


fa nafoin’ilay zatovo ny akanjony ka lasa izy nandositra niboridana.


Raha vao maraina ny andro, dia nivory hanapa-kevitra ny lohandoha-mpisorona niaraka tamin’ny loholona sy ny mpahay lalàna, izany hoe ny Fitsarana ambony manontolo; dia nampamatotra an’i Jesoa ry zareo sy nitondra Azy ary nanolotra Azy an’i Pilato.