Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Marka 12:40 - DIEM PROTESTANTA

Ataony tapitra ny fananan’ny mpitondratena, ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary mandany ny tranon’ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fisehoana ivelany. Ireo dia hahazo fanamelohana mafimafy kokoa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ataony tapitra ny fananan’ny mpitondratena, ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa miseho ho manao fivavahana lavareny izy ireny, kanjo mihinana ny fananan’ny mpitondratena, ka vao mainka hohelohina mafimafy kokoa».

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary mandany ny tranon’ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary mandany ny tranon'ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary mandany ny tranon’ny mpitondratena ka manao vavaka lavareny mba ho fisehoana ivelany. Ireo dia hahazo fanamelohana mafimafy kokoa.

Jereo ny toko



Marka 12:40
13 Rohy Ifampitohizana  

Tahaka ny liona mierona mamiravira haza ireo mpitondra azy ka mandripaka olona sy maka ny vola amam-pananan’ny hafa ka mahatonga vehivavy maro ho mpitondratena.


Mitsiriritra saha izy, dia mangalatra izany; na mitsiriritra trano, dia mahalasa azy; alainy ankeriny na ny loham-pianakaviana sy ny ankohonany na ny olona mbamin’ny fananany.


–Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny vavahady mankao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; ka ianareo tsy miditra, ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra. [


Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa tapitrareo ny fananan’ny mpitondratena ary vavaka lavareny no mody ataonareo hisehosehoana; noho izany, dia hohelohina mafimafy kokoa ianareo.]


–Ry bibilava, tarana-menarana, hataonareo ahoana no fandositra tsy ho voaheloka any amin’ny lohasahan’afo?


Rehefa mivavaka ianareo, aza mba maro teny tahaka ny mpanompo sampy. Heverin’izy ireny fa rehefa maro teny izy, vao henon’Andriamanitra.


ny mipetraka eny aloha ao amin’ny sinagôga ary ny maka toeram-boninahitra any amin’ny fanasana.


Ataony tapitra ny fananan’ny mpitondratena ary vavaka lavareny no mody ataony hisehosehoana: ireny olona ireny dia hohelohina mafimafy kokoa.


Eny, leferinareo raha misy manandevo anareo, raha misy mandàny anareo, raha misy maka ny anareo, raha misy manao zinona anareo, raha misy mamely ny tavanareo.


Fa isan’ireny izay misokosoko miditra an-tranon’olona ka mambabo vehivavy adala ivangongoam-pahotana sy ifandroritam-pilàna maro,