Ampy ho an’ny mpianatra ny tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tonga tahaka ny tompony. Koa raha ny loham-pianakaviana aza nisy nanao hoe Belzeboba, mainka fa ny fianakaviany.
Marka 10:39 - DIEM PROTESTANTA Ka novalian’ireo hoe: –Vitanay! Dia hoy i Jesoa taminy: –Ny fijaliana hiaretako dia hiaretanareo tokoa, ary ny batisa hirosoako dia hirosoanareo tokoa; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy izy mirahalahy Taminy: Hainay ihany izany. Hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay isotroako dia hisotroanareo ihany ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hatao aminareo ihany; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka novalian’ireo hoe: –Vitanay! Dia hoy i Jesoa taminy: –Ny fijaliana hiaretako dia hiaretanareo tokoa, ary ny batisa hirosoako dia hirosoanareo tokoa; Baiboly Katolika «Zakanay» hoy ireo taminy. Fa hoy kosa i Jesoa: «Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa; Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany; Malagasy Bible Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany; La Bible en Malgache Dia hoy izy mirahalahy Taminy: Hainay ihany izany. Hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay isotroako dia hisotroanareo ihany ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hatao aminareo ihany; |
Ampy ho an’ny mpianatra ny tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tonga tahaka ny tompony. Koa raha ny loham-pianakaviana aza nisy nanao hoe Belzeboba, mainka fa ny fianakaviany.
Fa vao mainka koa nanamafy ny teniny i Petera nanao hoe: –Na dia hovonoina miaraka aminao aza aho, dia tsy handà Anao. Ary dia samy nilaza toy izany avokoa ny mpianatra rehetra.
ary hoy Izy: –Raiko ô, vitanao ny zavatra rehetra; esory lavitra ahy izao fijaliana izao, kanefa tsy hoe izay sitrapoko, fa izay sitraponao!
Ka hoy i Petera taminy: –Ahoana, ry Tompo, no tsy ahazoako manaraka Anao ankehitriny? Na ny aiko aza dia hafoiko ho Anao.
Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: «Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony.» Raha nanenjika Ahy ry zareo, dia hanenjika anareo koa; raha nitandrina ny teniko izy ireo, dia hitandrina ny teninareo koa.
Efa nomeko ny teninao ireo, ka ankahalain’izao tontolo izao: satria tsy naman’izao tontolo izao ireo, tahaka ny tsy maha naman’izao tontolo izao Ahy.
Ankehitriny aho dia mifaly amin’ny fijaliana iaretako noho ny aminareo, satria miferinaina ara-batana aho ka mameno izay tsy ampy tamin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, izany hoe ho an’ny Fiangonana.
I Jôhany havanareo aho. Tafaray amin’i Jesoa aho ka mpiombona anjara amin’ny fahoriany sy ny fanjakany ary ny faharetany miaraka aminareo. Napetraka tao amin’ny nosy antsoina hoe Pàtmo aho satria nitory ny tenin’Andriamanitra sy nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona.